La Gazette de la grande ile

Fandriam-pahalemana : Mitondara faisana ireo kaominina ambanivohitra

Publié le 06 septembre 2017

Resahina sisa ny hoe fandriam-pahalemana fa tsy mitsahatra miharatsy ny toe- javatra saika manerana ireo faritra maro indrindra ny any ambanivohitra. Rehefa nampitondra faisana ny faritra atsimon’ i Vakinankaratra toy ireo fokontany eto Antsirabe I dia nifindra nianavaratra indray ny fanafihan-jiolahy ka ireo kaominina any ambanivohitra ao amin’ny distrika faharoa indray no tena lasibatra. Santionany amin’izany nandritra ny volana jolay farany teo ny kaominina ambanivohitra Ambano. Ity kaominina ity dia fantatra fa mpamatsy legioma sy voankazo an’Antsirabe sy faritany maro eto amin’ny nosy. Ny faran’ny herinandro teo dia notafihan’ny jiolahy ny fokontany Andrakodavaka sy Antanety any Ambano ka omby 12 no lasa saingy noho ny asan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana dia tafaverina amin’ny tompony ny omby. Amin’izao fotoana dia ny tanan-dehibe indray no lasibatra arak’izay tao amin’ny kaominina Ambano ihany. Mitondra faisana ny tantsaha ary mitaraina fa mihavitsy ny omby izay ilaina amin’ny asam-pambolena tokoa amin’ny fitaritana ny sarety ny angadin’omby ka sahirana ny tantsaha satria tsisy biby mpanampy intsony.

Toe-karena Vakinankaratra : Nitombo ny mpandaraharaha mandray anjara

Vinan’ny FIOVA na fivondronan’ ny orinasa eto Vakinankaratra ny hampiseho isan-taona ny tanjaka ny toekarenan’i Vakinankaratra. Tamin’ ity taona ity dia nisokatra ny 31 aogositra ny andiany faha 20 ary betsaka ny mampiavaka azy. Ny voalohany indrindra dia ny fiarahan’ny faritra rehetra nandray anjara ka hita taratra izany tamin’ny fitombon’ny isan’ny trano heva izay lasa 152 be izao. Ny tanjona moa araka ny filazan’ny filoha mpikarakara dia ny mba anomezana tanana ny tontolo ambanivohitra izay hiaraka amin’ny mpandraharaha eto andrenivohitra ka hisy firindrana eo amin’ny roa tonta mba hisian’ny fisandratana eo amin’ny toekarena ka tena ho hita amin’ny izany ny tanjak’i Vakinankaratra. Toy ny isan-taona dia hiara-dia ny fampirantiana samy hafa ao anaty trano heva ka samy hampiseho ny mampiavaka azy ny faritra izay mampalaza azy eo amin’ny fambolena, taozavatra, kolontsaina, fanatanjahan-tena. Ho hita eo anoloan’ny gara izay rehetra mampisongadina an’i Vakinankaratra. Ankoatra ireo dia hisy loa-bary an-dasy arahina ady hevitra ary fampihaonana ireo mpandraharaha rehetra eto Vakinankaratra. Misy ihany ny lampihazo izay ny mpanakanto avy eto an-toerana no hanafana sy hampifaly ireo mpitsidika rehetra. Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny minisitra ny Indostria sy ny filohan’ny Antenimiera izay samy nidera ny finiavan ny FIOVA sy ny faritra Vakinankaratra izay tena fitaratra tokoa ny ezaka atao.

B.R.

Lire aussi