La Gazette de la grande ile

Sampan-draharahan’ny fananan-tany : Mandoa 2 hetsy ariary dia vita eo no ho eo ny taratasy

Publié le 06 septembre 2017

Raha ny tatitra navoakan’ireo fikambanana iraisam-pirenena samihafa dia anisan’ireo sampan-draharaham-panjakana ahitàna kolikoly betsaka indrindra eto amintsika ny sampan-draharahan’ny fananan-tany (services des domaines). Na teo aza ny fepetra maro samihafa izay noraisin’ny fitondrana amin’ny famongorana ny kolikoly eo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana dia tsikaritra fa toy ny tsy misy vokatra izany satria mbola manjaka tanteraka ny kolikoly amin’ireo rafi-panjakana rehetra, anisan’izany ny sampan-draharahan’ny fananan-tany etsy Anosy. Rehefa mikarakara taratasina tany ny olom-pirenena iray dia anisan’ny taratasy voalohany ilaina ny “certificat de situation juridique”. Raha ny fomba fiasan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany hatramin’izay dia afaka 2 na 3 volana raha ela indrindra vao mivoaka io taratasy manamarina ny maha ara-dalàna ny tany io ary vola 2 arivo ariary no aloan’ny mpangataka. Fantatra ankehitriny raha ny fanadihadiana natao fa misy amin’ireo mpiasa na tompon’andraikitra ao amin’ity sampan-draharaha ity no mahavita mamoaka izany “certificat de situation juridique” izany ao anatin’ny ora vitsy monja ka vola 2 hetsy ariary no takian’izy ireo amin’izany. Tsara ny manamarika fa raha mpiasa monja dia tsy mahavita mamoaka an’io taratasy io ao anatin’ny ora vitsy fa misy maromaro izy ireo no miray tsikombakomba. Mahafantatra tsara ny fisian’izay risoriso sy kolikoly avo lenta izay ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foiben ny fananan-tany saingy tsy misy ny andraikitra raisina manoloana izany rehetra izany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi