La Gazette de la grande ile

Mpianatra ho mpitsabo

Publié le 24 octobre 2017

Arirariran’ny mpitondra fanjakana

 

Nangina sa nahazo fahafaham-po? Izany no fanontaniana mby an-tsaina raha tsy nandre firy tao ho ao ny hetsi-pitakian’ireo mpianatra ho dokotera mpitsabo izay mbola miza-draharaha na “stagiaire”. Tsy hay na efa nivaly na tsia ny fitakian’izy ireo. Omaly dia nanontanianay mpanao gazety azy ireo ny fivoaran’ny raharaha. Ny hany nambaran’ny iray tamin’izy ireo dia hoe “valin-teny an’avona no nasetrin’ny minisitra ny Fahasalamana ny fitakianay hoe efa ao ny vola handoavana ny fitakianareo”. Tsy mbola voarainay anefa izany hatramin’izao ary miendrika fandatsana anay dokotera mpitsabo miza-draharaha, hoy izy ireo. Folo taona lasa mantsy no efa 1.200 ariary isan’andro ny tambin-karama ho fizaran-draharaha na “indemnité de stage” izay tsy mahavita ny saran-dalanay amin’ny taxi be intsony ka notakianay mba hasondrotra ho 5.000 ariary izany, nefa dia mbola tsy hita ny ho fanatanterahana azy fa karazan’ny fampandriana adrisa no misy hatreto.

 

 

Lire aussi