La Gazette de la grande ile

Tsiazompaniry : omby teraka nanana loha roa

Publié le 24 octobre 2017

Tamin’ny faha 07 septambra 2017, tao Tsiazompaniry, ao amin’ny kaominina Angodongodona ao amin’ny distrikan’Andramasina, no nisy ity omby teraka izay nanana loha roa ity. Fahagagana tanteraka no niseho tamin’ingahy Allain izay tompon’ilay omby. Nifanandrify tamin’ny famadihan-drazana izay nataon’izy ireo no nahaterahan’ity omby sampona ity. Efa niandry ny fahaterahan’ilay omby ny tao amin’ity fianakaviana ity indray andro alohan’ny hanaovana ny fety. Ny maraina tokony ho tamin’ny 8 ora nefa vao teraka ilay omby. Niaina nandritra ny ora iray ilay omby dia maty. Iray ny vatan’ilay omby teraka saingy nizara roa toa irony dragona fahita amin’ny sary irony ny tendany, ka samy misy lohany avokoa. Ny lohan’ny iray somary lehibe noho ny iray. Vokatr’izay fahasamponana izay no nahasaro-piterahana ity omby ity ka sahirana ihany izy teo am-pamoahana ilay zanany izay roa ny lohany. Miloko mena tanteraka ilay omby teraka. Samy nanana ny fandikany izao zava-nitranga izao ny olona izay nahita ity seho tsy fahita firy ity.

 

Jesy Rabelaolao

Lire aussi