La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoham-pirenena

Publié le 27 octobre 2017

Nampiseho fahavononana daholo ireo antoko pôlitika

 

Mety ho kivy ihany ireo Malagasy mihevitra fa tsy mbola tokony hirosoana aloha ny fifidianana satria mety hiteraka krizy vaovao eto amin’ny firenena. Raha ny hita tetsy amin’ny hôtely Carlton Anosy, omaly, dia efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana, indrindra fa ny fifidianana filoham-pirenena ireo antoko heverina fa matanjaka eto amintsika ary efa azo antoka fa hanolotra kandida amin’ny fifidianana. Omaly mantsy no notanterahina tetsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa na fikaonan-doha iray natao hakana ny hevitr’ireo antoko sy vondrona pôlitika ary fikambanana firaisa-monim-pirenena, mikasika ilay lalàm-pifidianana na ny “code éléctoral” vaovao hampiasaina amin’ireo fifidianana manaraka hatao eto amin’ny firenena. Ilay komity manokana iraisan’ny ministera izay namolavola ity lalàm-pifidianana vaovao ity no nampiantso an’ireo antoko pôlitika sy firaisa-monim-pirenena ka saika namaly an’izany fanasana izany avokoa ireo antoko pôlitika lehibe, ao anatin’izany ohatra ny MAPAR, ny TIM, ny MMM, ny Leader Fanilo ary ny HVM mazava ho azy. Tsy tonga nandray anjara tamin’izany kosa ny antoko Freedom tarihin’i Lalatiana Rakotondrazafy. Ny maraina moa dia ireo tompon’andraikitra ao anatin’ilay komity iraisan’ny ministera no nanao tatitra tamin’ireo mpanao pôlitika sy ireo fiaraha-monim-pirenena ny asa nataon’izy ireo tamin’ny famolavolana ity lalàm-pifidianana vaovao ity, ny hariva kosa vao niditra tamin’ny ady hevitra ny mpandray anjara. Nafana dia nafana moa ady hevitra satria samy nanana ny fahitany azy daholo ny tsirairay na dia betsaka aza ireo andinin-dalàna nitovizana hevitra. Anisan’ireo teboka voaresaka matetika tao anatin’izay ady hevitra izay ny momba ny CENI na ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Saika ny ankamaroan’ireo antoko sy vondrona pôlitika ary ireo fikambanana fiaraha-monim-pirenena tonga nanatrika an’io fivoriana omaly io mantsy no mbola misalasala amin’ny tena fahaleovan-tenan’ny CENI sy ny fomba fiasany. Betsaka ireo mitaky ny tokony hanomezana fahaleovan-tena bebe kokoa ho an’ity rafitra misahana ny fifidianana ity, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-bola. Raha ny hita tetsy amin’ny hôtely Carlton omaly dia efa tsy andrin’ireo mpanao pôlitika Malagasy ny ahatongavan’ny fifidianana filoham-pirenena mba hahazoana fahefana. Marihana fa nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika avy any ivelany. Betsaka no tsy nankasitraka izany satria raharahan’ny Malagasy hoy izy ireo ny fifidianana atao eto Madagasikara ka tsy tokony hidiran’ny vahiny intsony, tahaka izay nisy tamin’ny taona 2013.

 

F.Tsihiavonana

Lire aussi