La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoham-pirenena

Publié le 30 octobre 2017

Mitady fanampiana ara-bola ny Otrikafo

Efa miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena daholo ankehitriny ny antoko politika. Ankaotra ireo antoko lehibe eto amin’ny firenena dia tsy vitsy ihany koa ireo antoko heverina fa madinika izay mieritreritra ny handrotsaka kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, anisan’izany ny antoko Otrikafo tarian’i Rajaonah Andrianjaka. Ity mpanao politika ity izay efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, fa tsy maintsy hanolotra olona hilatsaka ho fidiana ny antoko tariany amin’ny 2018. Na izany aza dia mihatrika olana lehibe ny Otrikafo ankehitriny satria raha ny fanazavana nomen’ny filohany dia tsy mbola manana ny vola hatao petra-bola na ny “caution” afahana milatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina ihany fa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany, tamin’ny taona 2013, dia 50 tapitrisa ariary ny petra-bola tsy maintsy harotsak’ireo kandida vao afaka milatsaka ho fidiana. Ankehitriny anefa dia mandeha ny feo fa mety ho ampiakarina io petra-bola io ary mety ho tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa ariary. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ireo Malagasy rehetra manana foto-kevitra na ideolojia mitovy amin’ny antoko Otrikafo ingahy Rajaonah Andrianjaka mba hanohana ara-bola azy ireo mba afahana mihatrika ny fifiSIXdianana amin’ny taona hoavy. Tamin’ny sabotsy teo moa dia nisy ny fivoriana voalohany nataon’ny antoko tetsy amin’ny foibeny etsy Andravoahangy ambony, hanomanana izany rehetra izany ary ampafantarana ihany koa ny be sy ny maro fa handray anjara amin’ny fifidianana ny Otrikafo.

 

F.Tsihiavonana

Lire aussi