La Gazette de la grande ile

Kaominina Antsirabe

Publié le 30 octobre 2017

Namoaka pôlisy mônisipaly 27 vaovao

Raha tamin ny taona 1997 no namoaka polisy mônisipaly ny kaominina Antsirabe I tamin’ny Andron’ny ben’ny tanàna Voahangy Razafindrakotohasina dia notanterahina ny 27 oktobra lasa teo kosa ny famoahana ireo andiany faharoa izay natao teny amin’ny ENIAP na ny « École national des inspecteurs et Agents de police » nanomboka tamin’ny folo ora maraina, ka nampitondraina ny anarana hoe TEFI . Marihina fa zatovo 27 isa no navoaka, zatovo anisan’ ny voafantina tokoa satria efa niatrika fiofanana iray volana sy tapany tetsy amin’ny ENIAP izy ireo. Ny filamatra entin’izy ireo dia ny « travail, Efficacité, Fiabilité, Intelligence » izay anehoan’izy ireo ny fahavononana hiatrika ny adidy aman’andraikitra miandry azy ireo. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny manam-pahefana notarihin i Razanakolona Paul, tao ihany koa ny solontenan’ny préfet, ny maire ny commissaire, ao ihany koa ny talean’ny ENIAP , ny Filohan’ny Faritra ary ny procureur . Nifandimby nandray fitenena izy ireo ka anisan ny foto-kevitra lehibe niraisana tao ny hafatra ho an ireto pôlisy mônisipaly vao nivaoka ireto ny mba hanantontosany hatsakany sy andavany ny adidy izay nametrahana azy ireo mba tsy ho very maina ny fiofanana natao.

Hiasa ho an’ ny tanànan’Antsirabe ireto zatovo voatokana ka antenaina hitondra fivoharana sy fandrosoana satria natao hiasa amin’ ny fotoana haingana toy ny fanalana ny mpivarotra amoron-dalana , ny fandaminana ny fivezivezen’ny fifamoivoizana …

 

Haingo Ratsimbazafy

Lire aussi