La Gazette de la grande ile

CRN sy Serge Zafimahova

Publié le 31 octobre 2017

Hamoaka ny tahirin-kevitra nosoratan’ny Pr Zafy Albert

 

Tamin’ny fahavelomany, herintaona lasa izay, dia nilaza ny filoha teo aloha Zafy Albert fa misy ny karazana tahirin-kevitra izay nosoratany nandritra ny taona maro. Tahirin-kevitra izay mirakitra ny fomba fahitan’ny profesora Zafy ny toe-draharaha politika, sosialy sy toekarena teto Madagasikara, tao anatin’izay am-polotaonany maro izay. Raha ny fantatra dia voarakitra ao anatin’izay tahirin-kevitra izay ihany koa ny hevitra noheverin’ity filoha teo aloha ity fa hitondra fiovàna sy fandrosoana an’ity Madagasikara ity. Raha tsy misy moa ny fiovàna dia anio alatsinainy no hanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ary hamoaka izany tahirin-kevitra nataon’ny profesora Zafy Albert izany ireo mpitarika eo anivon’ny CRN na ny Komity ho an’ny Fampihavanam-pirenena izay tarihan’ny minisitry ny asam-panjakana teo aloha, Tabera Randriamanantsoa, sy andriamatoa Serge Zafimahova, ity farany izay voatendry ho mpitondra teny ofisialy ny fianakavian’i Zafy Albert. Betsaka amin’ireo mpanao politika na ireo olom-pirenena mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena moa no miandry an’izay tahirin-kevitra napetrak’i Zafy Albert izay, ity filoha teo aloha raha teo izay hiarahan’ny rehetra mahalala fa anisan’ireo mpanao politika malagasy nanana vinam-piarahamonina sy politika izay heverina fa afaka nitondra fampandrosoana tsara ho an’ity firenena Malagasy ity. Marihana fa efa tamin’ny fotoana nandevenana ny profesora Zafy Albert no efa fantatra fa hanao an’io valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety io ny CRN saingy ankehitriny, noho ilay resabe mandeha fa namidy ny “Villa Elizabeth”, dia azo antoka fa tsy maintsy hitondra fanazavana na hanao ampamoaka momba ity raharaha ity izy ireo.

 

F.Tsihiavonana

Lire aussi