La Gazette de la grande ile

Fahasalamana

Publié le 31 octobre 2017

Olona 10 hafa indray no voan’ny pesta

 

Efa voafehy sa tsia ny aretina pesta? Fanontaniana mipetraka izany ankehitriny satria mbola maro amin’ny olom-pirenena no matahotra an’ity aretina ity. Raha ny tatitra farany nataon’ny eo anivon’ny BNGRC ny sabotsy teo dia manaporofo hatrany fa tsy mbola voafehy tanteraka ny pesta satria olona 10 hafa indray no fantatra ary efa azo antoko fa voan’ny aretina. Eto amin’ny faritra Analamanga ny 6 amin’izy ireo, 1 any Toamasina, 1 any Bongolava ary any amin’ny faritra Vakinankaratra kosa ny 1. Tsara marihana ihany anefa fa efa nihena hatrany amin’ny atsasa-manila ny isan’ireo mararin’ny pesta tsaboina eny amin’ny hopitaly satria raha 243 izany, tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo iny, dia efa nidina 122 izany, ny sabotsy teo. Torak’izany koa ny matin’ny pesta dia tsy nisy intsony aloha tao anatin’ny 3 na 4 andro teo ho eo.

F.T.

Lire aussi