La Gazette de la grande ile

Antsiranana

Publié le 02 novembre 2017

Ny asan-jiolahy mirongatra, ny kilaon’ny vary mananika ny 4 arivo ariary

 

Very fanahy mbola velona ny mponina ao Antsiranana ankehitriny. Mandry tsy fahalemana ny mponina satria mirongatra tsy misy toy izany ny tsy fandriampahalemana any an-toerana, tato anatin’ny herinandro izay. Amin’izao fotoana izao dia jiolahy rain-dahiny misy 3 no mbola karohan’ny mpitandro filaminana fatratra, ireto farany izay voalazan’ny polisim-pirenena fa mpikambana tamina tambazotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana any amin’iny faritra iny. Marihana fa voasambotry ny polisy ny naman’izy ireo miisa 3 raha toa kosa ka maty voatifitra ny iray, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana izay firongatry ny tsy fandriampahalemana any Antsiranana izay dia nanatanteraka fivoriana maika ny OMC na ny Organe Mixte de Conception, omaly, mba hitadiavana vahaolana sy handraisana fepetra manoloana izany olana lehibe izany. Fa mirazotra amin’izay kosa dia sahiran-tsaina tanteraka ihany koa ny mponina ao Antsiranana satria tao anatin’ny herinandro vitsy izay dia tsy nitsahatra nisondrotra ny vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro, indrindra fa vidin’ny vary. Manodidina eo amin’ny 3500 ariary amin’izao fotoana izao ny kilaon’ny vary ary misy aza no mahatratra 5000 ariary. Mazava ho azy moa fa tsy mahita vahaolana fa mitaza-potsiny an’izany olana goavana iainan’ny mponina any an-toerana izany ny fitondram-panjakana.

 

F.Tsihiavonana

Lire aussi