La Gazette de la grande ile

Filoha Hery Rajaonarimampianina

Publié le 02 novembre 2017

Mpanongam-panjakana anatin’ ny fanjakana

Fanonganam-panjakana tsy ankijanona no nitranga hatramin’ny fiandohan’ny repoblika faha efatra izay teto Madagasikara. Niatomboka tamin’ny fanonganana n’i amatoa Razanamahasoa Christine izay voafidy ho filohan’ny antenimierampirenena tamin’ny taona 2014 izay. Ny 23 avril 2014 no naongan’ny tao amin’ny antenimierampirenena ity ramatoa ity raha toa ka niasa nandritrin’ny telo volana teo ho eo. Ny faha 29 aprily 2014 dia nilaza ity ramatoa ity tamin’ny alalan’ny valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety fa ny fitondrana avy ao Ambohitsorohitra lapan’ny filohan’ny repoblika no nanao izao fanonganana izao. Iraka ihany ny depiote mpomba ny fitondram-panjakana tamin’izany ary dia nalaza nanomboka teo koa ny resaka malety na ny fividianana depiote hanongana ity ramatoa ity. Tamin’izany fotoana izany no nahitana an’i ramatoa Claudine Razaimamonjy izay voalaza fa mpandoa ny volan’ireo depiote hanongana ireo teny Tsimbazaza.

 

Ny faharoa dia ny fanesorana an’ingahy Ravelonarivo Jean izay praiminisitra faharoa tamin’ny ity fitondrana ity. Tamin’ny fomba nahamenatra tanteraka no nitrangan’izany satria raha ny zoma faha 8 aprily 2016 no nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny fiadidiana ny repoblika mpitondra tenin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina fa nametraka fialana ingahy praiminisitra ity, dia namaly avy hatrany ingahy Ravelonarivo Jean izay praiminisitra fa diso izany filazana izany fa tsy nanao izany ny tenany. Ny alahady faha 10 aprily 2016 vao nisy indray ny filazan’ity praiminisitra ity fa nanao fialana izy rehefa nisy ny fanerena maro samy hafa natao taminy. Niteraka resabe teto amin’ny politikan’ingahy Hery Rajaonarimampianina iny raharaha iny satria raha ny vaovao tamin’izany fotoana izany dia nisy ny fanerena nataon’ni Voaahangy Rajaonarimampianina koa tamin’iny raharaha iny. Maro ny filazana tamin’ny haino aman-jery tamin’izany mahakasika fa tsy manara-dalàna sy lalàmpanorenena ny fanesorana nataon’ny avy eny Iavoloha.

 

Tsy ireo ihany fa mbola resaka hafa tao alohan’io koa ny tsy naneken’ny fahefana avo momba ny lalàm-panorenana mahakasika ilay fampiantoana ny filohampirenena amin’ny asany iny ny volana jona sy jolay 2016 ka nanaovan’ny HCC ilay fifanaraham-piarahamiasa (pacte de résponsabilité) izay tsy ao anatin’ny lalàmpanorenana akory nefa nampiharin’ity andrimpanjakana mpanaramaso ny fampiharana ny lalàmpanorenana ity izany. Mbola fanoganam-panjakana ankolaka koa no isokajiana izany satria tsy nanara-dàlana.

 

Mbola miteraka resabe hatramin’izao ny fampiharana ny andininy faha 54 amin’ny fenendrena izay ho praiminisitra. Noho ingahy Hery Rajaonarimampianina tsy manana depiote maro an’isa ao amin’ny antenimierampirenena dia voadikadika tanteraka ity lalàna ity. Noterena hivadika vondrona parlemantera hanohana fanjakana ny depiote maro ka isan’izay nahazo antsojay tamin’izany ingahy depiote avy any Manakara izay Mapar( Miaraka amin’ny filoha andry Rajoelina) ka nivadika HVM be izao.

 

Mandeha indray ny resaka ankehitriny fa misy fikasana hanongana an’ingahy Mahafaly Olivier izay praiminisitra amin’izao fotoana izao indray. Mbola mandeha koa ny resaka fa avy eny Iavoloha no mampanao izany. Hisy ve sa tsy hisy? Dia samy miandry ny ho tohin’izany ny rehetra.

 

Tsy mahagaga raha toa ka fahantrana no mitranga eto satria fanonganampanjakana ihany no iainana’ny vahoaka raha ny raharaha fitantanana no jerena.

 

Jesy Rabelaolao

Lire aussi