La Gazette de la grande ile

HVM sy ny fifidianana

Publié le 02 novembre 2017

Adisoana lehibe ny fanolorana an-dRajaonarimampianina

Na iza tsy faly na iza hitsipaka dia tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena isika Malagasy. Efa vonona ny hiatrika izany rahateo daholo ny ankamaroan’ny mpanao politika eto amin’ny firenena, na ireo eo amin’ny fahefana na ireo ety ivelan’ny fitondrana. Porofo mibaribary amin’ny fahavonana sy ny fanomanan’ny mpitondra an’izany fifidianana filoham-pirenena izany ny fanesorana ny Pr Honoré Rakotomanana teo amin’ny toerany ary ny nametrahana ny filoha nasionaly ny antoko HVM, Rivo Rakotovao, ho filohan’ny Antenimierandoholona. Mazava ankehitriny fa tsy maintsy hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 i Hery Rajaonarimampianina satria tsy maintsy hametra-pialàna 2 volana mialohan’ny datim-pifidianana fiodinana voalohany ny tenany, araka ny voalazan’ny andininy faha 46 ao anatin’ny lalàm-panorenana, ka olona atokisany tsara no handray ny fahefana feno amin’io fotoana io. Mazava ihany koa ankehitriny ary tsy misy intsony ahiahy fa i Hery Rajaonarimampianina ihany no kandida hatolotry ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ka fombafomba fotsiny sisa ny kaongresy ho atao etsy sy eroa. Satria moa politika tsy araka ny tokony izy fa kitoatoa no misy eto Madagasikara, tahaka ny fomba fanaovana politika misy any amin’ireo firenena afrikanina maro izay voasokajy ho anisan’ireo firenena mahantra sy fadiranovana indrindra maneran-tany, dia tsy mahagaga raha mbola sahy hanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina ho kandida ny HVM. Raha any amin’ireo firenena mandroso na an-dalam-pandrosoana ary manana vahoaka misaina mantsy dia tsy azo eritreretina akory ny mbola hirotsahan’i Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana. Raha mbola mihevitra na mikàsa ny hijanona eo amin’ny fahefana mantsy ity antoko mitantana ny firenena vao miana-draharaha ity dia tsy tokony ny filoha am-perinasa intsony no hatolotra ho tsarain’ny vahoaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena fa olom-baovao tanteraka. Noho izany, adisoana lehibe ny safidin’ny antoko HVM amin’ny fanolorana an’i Hery Rajaonarimampianina. Tsy ho voatanisa daholo moa ny antony ahafahana milaza izany fa ohatra vitsy no ho raisina. Voalohany, olona efa tsy hatokisan’ny vahoaka intsony ny filoha am-perinasa satria betsaka tamin’ireo fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra no tsy tanteraka mandrak’ankehitriny. Anisan’ny lehibe amin’izany ny momba ny delestazy izay tsy averina eto intsony angamba ny resaka nataony momba izay. Eo ihany koa ny ady amin’ny kolikoly sy fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena. Tsy tokony adinoina fa anisan’ny laharam-pamehan’i Rajaonarimampianina izany raha ny kabary nataony teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny 25 janoary 2014, tamin’ny fotoana nanaovany fianianana. Tao anatin’izay 4 taona latsaka 2 volana nitondrany ny tany sy fanjakana izay anefa dia tsy nisy fitsaharany ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, torak’izany koa ny kolikoly izay vaomaika aza manjaka eto amin’ny firenena, manaporofo izany ny tatitra navoakan’ny Transparency International farany. Fa etsy ankilan’izany rehetra izany, raha mijery ny lafiny ara-tsosialy eto Madagasikara dia hiarahan’ny rehetra mahita ny fahapotehana sy ny fitotongan’ny fiainan’ny Malagasy, indrindra fa ny fiainam-piarahamonina. Tsy misy andro iray eto amin’ity firenena ity ka tsy ahenoina asan-dahalo na fanafihana mitam-basy, halatra taolam-paty, sns sns. Tao anatin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao no nampalaza izany fitsaram-bahoaka izany, fa eo koa ny resaka “kidnapping” izay tsy mahataitra ny olom-pirenena ny fisiany. Ny fidangan’ny vidim-piainana moa iny efa tsy resahina intsony, ny fanjakazakan’ireo teratany vahiny izay tsy tahotra tsy henatra fa sahy mandroaka ny Malagasy amin’ny taniny. Raha ho kandida amin’ny fifidianana i Hery Rajaonarimampianina, mipetraka ny fanontaniana hoe olom-pirenena iza no mbola hatoky azy raha mampanantena zavatra maro izy amin’ny fampielezan-kevitra? Ambasadaorin’i Madagasikara any ivelany aza tsy vitan’ity fitondrana ity no nanendry azy ireo, herintaona mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena. Nivoaka am-pamendrehana tamin’ny varavarana lehibe ny filoha frantsay teo aloha, François Hollande, rehefa nanapa-kevitra ny tsy hirotsaka ho fidiana intsony, heverina fa tokony hanaraka izany fahendrenana nananan’i François Hollande izany koa i Hery Rajaonarimampianina.

 

F.Tsihiavonana

Lire aussi