La Gazette de la grande ile

Fandinihana ny LFI 2018: Aleon’ireo depiote sasany nankeny Antsonjombe

Publié le 16 novembre 2017

Araka ny fandaharam-potoana lany teo anivon’ny Antenimerampirenena dia omaly no niroso voalohany tamin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona ho avy na ny LFI 2018 ireo solombavambahoaka. Tsara ihany ny manamarika fa ny fivoriana ara-potoana faha roa toy izao dia natao handinihana sy hankatoavana an’izay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay. Heverina fa zava-dehibe izany satria miankina amin’io lalàna io avokoa ny vola entin’ny fanjakana miasa amin’ny taona 2018. Ny toe-javatra heverina fa mampalahelo sy mahatohina anefa, izay tsy fahita raha tsy aty amin’ny tany mahantra fahadiranovana toa antsika, dia nisy maromaro ireo solombavambahoaka no nisafidy ny tsy hanatrika izany fivoriana itambaram-be teny amin’ny Antenimierampirnena izany fa nanatrika ny lanonana lehibe fizarana “kits scolaires”, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Mazava ho azy moa fa ireo depiote miara-dia amin’ny HVM daholo ireo nankeny Antsonjombe satria ny filoham-pirenena sy ny vadiny no nizara fitaovam-pianarana, na azo ambara koa hoe nanao fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana, ka mihevitra ireto depiote mpanohana ny fitondrana ireto fa izany no zava-dehibe noho ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ka tsy maintsy hatrehana. Tsara marihana anefa fa tamin’io fivoriana itambaram-be omaly io no tonga teny Tsimbazaza ny delegasionina teknisianina avy amin’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola izay notarihin’ny minisitra Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona. Ireto farany izay mazava ho azy fa nanazava ny pitsopitsony rehetra tokony ho fantatr’ireo solombavambahoaka ao anatin’ny LFI 2018, mialohan’ny hankatoavana azy. Toa izany moa ny toe-tsain’ireo parlemantera sasany eto amintsika ka tsy mahagaga raha mikoroso fahana tahaka izao ny firenena.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi