La Gazette de la grande ile

FFKM: “Ny vaovaon’ny antoko no mibahana amin’ny TVM haino amanjerim-panjakana”

Publié le 28 novembre 2017

Tany Antsirabe Vakinankaratra no nanaovana ny  fivorian’ny Komity Foibe faha-40-n’ny FFKM ny faha-23 ka hatramin’ny faha-26 novambra.

Nifantoka manontolo amin’ny toe-draharaham-piaraha-monina malagasy amin’izao fotoana ny vontoatin’ny fehin-kevitra navoakan’io Komity foibe io.

Natomboka ny FFKM tamin’ny toerana misy ny fiangonana eo anivon’ny firenena sy ny zava-mihatra amin’ny fiangonana ny resaka. Notsongain’ny Ffkm tamin’izany ny mbola fitohizan’ny famakiana sy fandrobana  ary  fangalarana  ny Fanaka  Masina ao amin’ny trano Fiangonana; ny Famonoana  mpitondra  fivavahana;  ny Fandoroana  Baiboly  izay  fototra  ny finoana  kristianina.

Ho an’ny Ffkm dia midika  ho  fiantsiana  sy famakiana  ady  amin’ny mpanara-dia  an’i Kristy izany.

Momba ny fiainam-pirenena ankapobeny dia notsiahivin’ny Ffkm fa “Heritaona  lasa  izay  dia  voalaza  tao  amin’ny  fanambarana  tamin’ny  Komity  Foibe faha-39  natao  tany  Toamasina  fa ny tsy  fanatanterahana  ireo  fehin-kevitra  tapaka nandritra ny fampihavanam-pirenena  mifototra  amin’ny 4F (Fiaiken-keloka, Fibebahana,  Fahamarinana,  Fihavanana) natao  tamin’ny  28- 30 aprily  sy  ny  1-2 may 2015, no  miteraka  ny tsy fandriam-pahalemana,  ny fahalovana,  ny  fihanaka ny zava-mahadomelina,  ny tsy  fanarahana  rafitra,  ny  tsy  fahalavorarian’ny tontolon’ny  fitsarana,  araka  ny  voalaza  hoe  :  « Mihemotra  ny rariny  ary mijanon-davitra  ny hitsiny,  satria  eny  ankianja  malalaka  no voatohintohina  ny fahamarinana  ary tsy  mahazo  miditra ny  hitsim-po » (I Isaia  59:  !4)  ka niteraka  ny fitsaram-bahoaka,  sy « ny  fahavoazan’izay  mijoro  amin’ny  fahamarinana »  (lsaia 59:15).

Mbola  mitombina  ary  mihamitombo  aza ireo  toe-javatra  voatanisa  ireo hatramin’izao.

Tsy nohadinoin’ny Ffkm ny niresaka manokana ny tontolon’ny tsy fandriam-pahalemana ka nanipihan’ny fehin-kevitra fa noho  ny  kolikoly,  dia  tsy  hita intsony  ny fihafaran’ny  raharaham-pitsarana  momba ny  fanondranana  tsy  marina ny harem-pirenena,  rakotry  ny  kolikoly  ny  fiainam-pirenena  manontolo.

“Mihamafy hatrany  ny tsy  fandriam-pahalemana  ary  mihatra hatrany  ambany akalana  ny  fahantrana; mihamafy  ny fiatrehana  ny asan-dahalo  izay mampiasa  fitaovam-piadiana avolenta  mihoatra  noho ny  an’ny  mpitandro  filaminana; mihena ny vokatra  amin’ny  lafiny  rehetra  noho  ny tsy  fandriam-pahalemana  sy ny haintany  ary midangana izay  tsy  izy  ny  vidim-piainana..”, hoy ny Ffkm.

Fa isan’ny teboka iray navoitran’ny Komity Foibe Ffkm koa ny fitantanana ny tontolon’ny filazam-baovao ka nahitsy ny fehin-kevitry ny Ffkm nanao hoe “ny vaovaon’ny  antoko  no mibahana  amin’ny haino aman-jerim-panjakana  ka  tsy mahazo afa-tsy  vaovao  tokana  ny olona”. Notsiahivin’ny Ffkm mihitsy moa ny tenin’ny Soratra Masina araka ny “Isaia 59:13b” hoe: « Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao ampo sy avoakan’ny teny ataonay ».

Tsy nohalaivanin’ny Komity Foiben’ny Ffkm koa ny lafiny fitantanana ara-toekarena ka nanitrikitrihanio fivorian’ny Komity Foibe io fa “Lasa  tantely  afa-drakotra ny Firenena ary  manjary  tompony  mangataka  atiny  ny Malagasy”. Navoitran’ny Ffkm koa ny hoe “Tsy mangarahara ny  fifanarahana  ara-barotra  iarahana  amin’ny  vahiny izay mamatotra ny  Firenena  ka lasa  manandevo  ny taranaka  faramandimby  ny  trosa (angovo,  harena  ankibon’ny  tany,  volamena,  vato soa…)”. Navoitran’ny Komity Foibe Ffkm koa ny fanomezan’ny fanjakana vahana ny vahiny amin’ny fandraharahana  ka lasa ny vahiny indray  no mahazo  fanampiana. Tsy niahotrahotra koa ny Ffkm nilaza fa “Tsy mangarahara ny fampiasana  ny  volam-panjakana  ka mifangaro  amin’ny asan’ny  antoko”.

Eo  anatrehan’ireo  zava-misy  ireo  dia, miangavy  no sady  mangataka  aminareo  mpitondra Fanjakana  ny  FFKM, hoy ny fehin-kevitra,  mba hihaino  amim-panetren-tena  ny  feon’ny  Fiangonana  na dia maharary  aza izany  ka  hamaha  ny  olana,  hanome  vahaolana  ary hanome  maridrefy amin’ny  fanatanterahana  azy.  Efa fetrorona  ny fahantrana,  ary  mba tsy ho ny vahiny  no mahazo  vahana  eto amin’ny  tanin’ny  Malagasy  dia manolotra  ireto  vahaolanà sy soritr’asa  voafehy  anatin’ny  fehin-kevitra  telo  ireto  ny F.KM:

Ao anatin’ny vahaolana natolotra ny Ffkm ny tokony hanomezan-danja  ny  mpanabe  sy ny teknisianina  Malagasy; ny tokony hampirisihana  hatrany ny  mpitandro  filaminana  hanohy  ny  fanadiovana  anatiny sy ny fanitsiana  ireo  diso  lalana; ny tokony hampahatsiahivana ny  mpitondra  fanjakana  mba tsy  hanao dika  mitovy fotsiny ny  lalàna  misy any ivelany; ny tokony hiompanana  amin’ny  fanarenana  sy fanorenana  hatrany ifotony  ny rafitra  rehetra eto amin’ny  Nosy (Refondation).

Amin’ny famaranana ny fehin-keviny no anipihan’ny ffkm fa “Efa maro ny  fanairana  natao  hatramin’ny  Komity  Foibe faha  38 sy  faha  39, kanefa  toa mitory teny any an-tany  efitra  ny FFKM,  ka  mila fiovam-penitra  mahery vaika ny fitondrana  ny  firenena.”

 

Ralay

 

Lire aussi